Tsy fandriam-pahalemana : Nahita fivoarana i Mandoto Antanifotsy
Samy faritra mora i Mandoto sy Antanifotsy. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ ireo mponina avy amin’ireo faritra ireo anefa dia mba misy fivoarana kely ny fandriam-pahalemana amin’izao fotoana izao. Izany dia noho ny firaisan-kina asehon’ny ireo kaominina mpiray vodi-rindrina ka manamafy ny atao hoe “défense villageoise”. Ao anatin’izany dia misy ny tetik’asa iraisana toy ny fiambenana amin’ny alina, ny fanarahan-dia, ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana, ny fokonolona ary ny solotenam-panjakana, ben’ny tanàna, sefom-pokontany kalony, “quartier mobile”. Tsapan’ireo vahoaka manko fa efa mihatra amin’ireo asa fivelomany ny fahavitsian’ny omby mpanampy azy hany ka karamaina amin’ny an’aliny ny omby ampiasaina amin’ny angadin’omby sy ny sarety ary ny fahazoana zezim-pahitra. Manahy mafy mantsy ny tantsaha fa tsy hisy omby ompian’izy ireo intsony fa lasa mpamelona fotsiny ny dahalo izy ireo. Ny tena nahatanteraka izao firaisan-kina izao dia ny fahatsapan’ny tsirairay ho an’ny fianakaviany sy ny mponina ny asan’ny dahalo. Isaka ny fokontany dia misy ny komitin’ny firaisana izay fehezin’ny Dina ka masiaka dia masiaka izy ireo amin’ny fampiharana ny fampifehezana. Tsy amin’ireo faritra ireo ihany intsony fa efa saika isaka ny distrika sy kaominina dia manao toy izany avokoa ka ny fanamafisana ny “auto-défense villageoise” no imasoan’ny any ambanivohitra amin’izao. Koa raha misy fivoarana ny tany Mandoto sy Antanifotsy, nahoana no tsy tanteraka izany any an-kafa ? B.R.