Asan-jiolahy eto Andrenivohitra : Zandary iray nahatratrarana basy sy rongony 4 gony

Tsy mahagaga raha tsy matoky ny mpitandro filaminana intsony ny mponina amin’izao fotoana izao satria izy tokony hiaro ny vahoaka sy ny fananany indray no lasa jiolahy na miray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy. Saron’ny pôlisy avy etsy amin’ny borigady misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) etsy Anosy, sakelika faha 4, ny tambazotran-jiolahy iray ahitàna zandary mitondra ny galona GP2 sy olon-tsotra 5 izay voalaza fa tafiditra amina raharaha fanafihana mitam-piadiana teto Andrenivohitra sy ny manodidina. Tratra tany amin’ireto jiolahy ireto ny rongony 4 gony, basy 5 marika “Beretta” ary bala miisa 15. Nisy ny fanafihana mitam-piadiana teny amin’iny faritr’i Sabotsy Namehana tamin’ny faran’ny herinandro teo ary nanamafy ny voatafika fa ity zandary ity mihitsy ny iray tamin’ireo mpanafika satria tsy nisaron-tava ireo olon-dratsy tamin’io fanafihana io. Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny BC dia fanafihana maromaro no efa nataon’ireto andian-jiolahy ireto teto Andrenivohitra sy ny manodidina saingy izao vao tra-tehaka.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire