Raharaham-pirenena : Voafita-dRatsirahonana indray ny filoha
Mbola mitazona ny sain’ny olom-pirenena maro ny fanambarana nataon’ingahy Hery Rajaonarimampianina tamin’ny mpanao gazety momba ny hanovana ny andiany maro ao anatin’ny Lalàmpanorenana alohan’ny fiafaran’ny fotoana hitondrany ny firenena izao. Ho an’ny olona mpomba azy dia miteha-kelika sy mandihy avy hatrany satria hitombo indray ny fotoana hahazoan’izy ireo mitondra an’i Madagasikara ka hampitombo ny fananany sy ny fahefana amin’ny alalan’ny fanararaotam-pahefana sy ny kolikoly ary ny fanodinkodinana ny volam-bahoaka. Toa izany koa ny eritreritr’ireo olona mitady toerana ka manantena ny fiaraha-mitantana mba ahazoana mihinana sy manararaotra ny tsy fahombiazan’ny mpitondra amin’izao fotoana izao.
Ankilany indray dia tezitra ny vahoaka izay efa leo izao fitondrana izao satria nanantena ny fifidianana filoham-pirenena afaka volana vitsivitsy mba hahazoana manala an’ingahy Hery Rajaonarimampianina tsy ho filoham-pirenena intsony araka ny fomba demôkratika sy araka ny Lalàmpanorenana Malagasy. Ho azy ireo dia ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ihany no fifidianana azo ekena ho tanterahana amin’ny taona ho avy io.
Manampy ireto olona tsotra ireto indray ny mpanao pôlitika izay mahatsapa ny hafetsen’ingahy Hery Rajaonarimampianina sy ny forongony amin’izao fanovana ataony alohan’ny hialany eo amin’ny fitondrana izao. Voalazan’izy ireo fa nohararaotin’ingahy Hery Rajaonarimampianina ny fangatahan’ny mpanohitra ny amin’ny hanitsiana ny Lalàmpanorenana. Tsy noraharahiany izany tao anatin’ny efa-taona fa rehefa tonga amin’ny fotoana farany hiasany dia noraisiny ireny hevitra sy fitakiana ireny mba hahazoany manalava ny fotoana hitondrany. Hatrany amin’ny fitantanana ny fokontany avy no kasain’ingahy Rajaonarimampianina hasiana fanovana ankehitriny.
Mahita ny mpanao pôlitika maro eo anatrehan’izao raharaha izao fa hevitra avy amin’ny mpanolotsainy izao ka ingahy Ratsirahonana Lala Norbert no voatonontona amin’izany. Ho an’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ireo dia tetika maloto efa nahazatra an’ingahy Ratsirahonana Norbert Lala ny manao zavatra toa izao. Nitranga izany tamin’ny andron’ingahy Zafy Albert izany ny taona 1996. Mpinamana be izy roalahy ireo nefa novadihan’ingahy Norbert Lala Ratsirahonana tamin’ny ora farany ka telo taona monja dia niongana (1993-1996). Notohiziny tamin’ingahy Ravalomanana Marc taona 2001-2002 no nanoro hevitra an’ity filoha teo aloha ity amin’ny fanaovana “investiture” indroa tao anatin’ny telo volana nefa dia nivadika ny taona 2009 rehefa hitany fa niha-osa ingahy Ravalomanana Marc ka namonjy haingana an’ingahy Andry Nirina Rajoelina indray izy. Nataony izay hitanan-dRajoelina ny tetezamita tao anatin’ny dimy taona ka izao nitarika olana lehibe eto amin’ny firenena izao. Ireo rehetra ireo ilazan’ny mpanao pôlitika fa avy aminy indray izao tetika maloto hanovana ny Lalàmpanorenana amin’ny fotoana tsy nilana azy izao.
Ingahy Ratsirahoanana Norbert Lala izay mpanolotsaina hatramin’ny taona 2001-2017 tao Ambohitsorohitra ka nivadibadika amin’ny fomba feno hafetsena tanteraka amin’ny fitanana ny sezan’izay mpitondra eo tamin’ny filoham-pirenena nifandimby teo. Matetika dia miafara amin’ny korontana pôlitika ny firenena ny zavatra ataon’ingahy Ratsirahonana Norbert Lala ho mpanolotsaina. Rehefa mirotaka ny olona dia mifindra moramora izy ka manampy indray izay olona hitany fa ho filoham-pirenena. Hatramin’ingahy Ratsiraka Didier aza dia nofitahin’ity rangahy ity ary nampiasany ny hafetseny.Tsy miraharaha fiainam-pirenena ingahy Ratsirahonana Norbet Lala fa ny tombotsoany ihany no narovany hatramin’izay amin’ny maha mpanolotsaina azy.
Manana andraikitra lehibe amin’ny raharaham-pirenena toa izao ny mpanolotsaina. Izany no ilazana fa voafitaka ny mpanolotsainy indray ingahy Hery Rajaonarimampianina ka hanao ny tsy hampisy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 indray. Ahiana mafy ny hisian’ny korontana indray eto Madagasikara raha tsy hisy ny fifidianana. Fitaka be vava ho an’ny filoham-pirenena no ataon’ny mpanolotsainy izao raha toa ka marina ny fijerin’ireto mpanaraka ny raharaham-pirenena ireto.
Jesy Rabelaolao
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.