Fanitsiana Lalàmpanorenana : Diso fanantenana ireo niandrandra fanovana rafitra
Nazava ny resaka nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny tafatafa niarahana tamin’ny mpanao gazety izay notanterahana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny sabotsy lasa teo.“Ilaina ny fanitsiana ny Lalàmpanorenana mba hisian’ny fitoniana mandritra ny fotoam-pifidianana. Midika izany fa ireo andinin-dalàna voakasika amin’ny resaka fifidianana ihany no tokony hasiam-panitsiana ary hanaovana fitsapan-kevi-bahoaka raha toa ka hankatoavin’ny parlemanta”. Betsaka ny mpanao pôlitika, fiarahamonim-pirenena ary olon-tsotra, izay nanantena fanovana rafitra amin’io fitsapan-kevi-bahoaka eritreretin’ny fitondrana HVM hatao io no diso fanantenana rehefa nahare an’izay teny nataon’i Hery Rajaonarimampianina izay. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ireo izay mivoy amin’ny tokony hametrahana fanjakana federaly eto Madagasikara. Tamim-pifaliana no nandraisan’ireo federalista ny fikasan’ny mpitondra hanitsy na hanova ny Lalàmpanorenana satria nihevitra izy ireo fa amin’io fotoana io no hanovana ny rafitra misy eto amintsika, anisan’ny lehibe amin’izany ny fialàna amin’ny rafitra fanjakana tokana (Etat unitaire) izay nitondrana ny tany sy firenena tao anatin’ieo repoblika nifandimby. Anisan’ny diso fanantenana ihany koa ireo izay mivoy ny fanorenana ifotony na ny “refondation”. Toy ireo federalista ihany dia nieritreritra izy ireo fa amin’ny alalan’izay fanitsiana ny Lalàmpanorenana izay no hirosoana amin’ny fanorenana ifotony, izany hoe fanovana ny rafitra rehetra eto amin’ny firenena, manomboka eny amin’ny fokontany hatrany amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Tsiahivina fa vao nivoaka ny vaovao mikasika izay fanitsiana ny Lalàmpanorenana izay dia nisy ireo tsy niandry ela fa avy hatrany dia namoaka fanambarana amin’ny tokony hanaovana dinika nasionaly lehibe hamolavolàna ny Lalàmpanorenana vaovao ho hapetraka eto amin’ny tany sy ny fanjakana, isan’izany ny CRAM (Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar). Mazava anefa ankehitriny, araka ny teny nataon’i Hery Rajaonarimampianina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, fa tsy mieritreritra an’izany fanovana rafitra na fanorenana ifotony izany mihitsy ny fitondrana fa hanitsy ny andinin-dalàna momba ny fifidianana ho tombotsoan’ny filoha am-perinasa sy ny mpanara-dia azy ao anatin’ny antoko HVM. Andrasana indray noho izany ny hevitr’ireto mpanao pôlitika sy fiarahamonim-pirenena diso fanantenana ireto satria tsy araka izay nieritreretin’izy ireo mihitsy ny tadiavin’ny mpitondra hatao fa tetika maloto ahafahana mijanona eo amin’ny fahefana. Tsara ihany ny manamarika fa ny ankamaroan’ireo mpandalina sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena, ohatra ny Sefafi, GEN, Kmf-Cnoe, sns sns, dia nahafantatra avy hatrany fa tsy hitondra tombotsoa ho an’ny Malagasy maherin’ny 23 tapitrisa no kasain’ny HVM hatao fa fanitsiana vao mainka hampidi-kizo ny firenena izay efa miaina ao anatin’ny fahasahiranana sy fahantrana lalina.
F.Tsihiavonana