Publié le 19 octobre 2018
Andro iray lehibe amin’izao herinandro vitsy mialohan’ny fifidianana filoham-pirenena izao ny andro androany. Raha tsy misy mantsy ny mety ho fiovàna amin’ny ora farany, dia anio hariva no hifanazava imasom-bahoaka eny Nanisana ireo kandidà ho filoham-pirenena, ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana, ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary ny governemantan’i Ntsay Christian. Fantatra fa handray anjara amin’io fihaonana io koa ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola (Samifin). Hifanazava imasom-bahoaka satria halefa mivantana amin’ny haino aman-jeri-panjakana ny fivoriana, araka ny fangatahana nataon’ireo kandidà voalaza fa miisa 26 izay manohitra ny hosoka misy amin’ny fikarakarana ny fifidianana, indrindra fa ny lisitra ny mpifidy. Mazava ho azy fa ny momba izay fanomanana ara-teknika ny fifidianana izay no votoatin-dresaka mandritra ity fihaonana eny amin’ny foiben’ny CENI eny Nanisana ity. Azo antoka fa hangotraka ny ady hevitra satria raha ny hita nandritra ilay fivoriana teo amin’ny CENI sy ireo kandidà 26, ny alarobia alina lasa teo, dia miziriziry amin’ny heviny hatramin’ny farany ireo mpilatsaka ho fidiana mitaky ny fanadiovana ny lisi-pifidianana sy ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Nisy tamin’ireo kandidà ireo aza no nangataka ny tokony hanemorana ny fifidianana noho ny tsy fahatombanana eo amin’ny lafiny ara-teknika. Miandry fatratra ity fihaonana mivantana amin’ny haino aman-jeri-panjakana ity ny ankamaroan’ireo mpanao pôlitika sy olom-pirenena izay mitsipaka ny hanaovana ny fifidianana, ny 7 novambra izao. Heverin’izy ireo mantsy fa ho afa-baraka eo imason’ny vahoaka malagasy ny CENI sy ireo rafi-panjakana voakasika mivantana amin’ny fifidianana. Maro aza ireo manantena fa aorian’ity fihaonana tanterahina androany ity dia mety hihemotra na tsy hisy mihitsy ny fifidianana filoham-pirenena, amin’ity taona 2018 ity. Marihana fa amin’ny 5 ora hariva no hanomboka izay fihaonana hifanatrehan’ireo kandidà ho filoham-pirenena, ny CENI, ny HCC ary ny governemanta izay. Ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana moa efa nanambara omaly fa tsy afaka ny handray anjara amin’ity fihaonana eny Nanisana ity noho ny antony tsy fantatra.
F.Tsihiavonana