Publié le 20 octobre 2018
Kaominina iray ao amin’ny faritr’i Midongy ao Ambatofinandrahana no misy an’Amboropotsy.
Isan’ny mafana amin’ny asan-dahalo ity toerana ity. Omaly alakamisy faha 18 oktobra 2018 dia notafihin’ny dahalo amam-polony indray ny tanàna telo : Ambarivondrona, Soamandroso ary Ambalavao. Nodoran’ny dahalo ireto tanàna ireto rehefa namaly ny tao an-tanàna. Vokatr’izany dia potika lasa lavenona avokoa ny trano rehetra izay miisa hatrany amin’ny 200 any ho any raha ny voalazan’ny loharanom-baovao avy any an-toerana. Tamin’ny telo ora tolakandro no niseho izany. Tsy misy azo noraisina intsony ny fananan’ny olona tamin’ireo tanàna ireo. Miantso vonjy mafy amin’ny fanjakana izy ireo.
Tamin’ny alahady faha 14 oktobra 2018 lasa teo nefa dia notafihin’ny dahalo koa ny tanàna iray tao akaikin’ity toerana ity ka omby 70 mahery no very tamin’izany. Dahalo 100 teo ho eo no nanafika. Misy koa ny naratra tamin’ireo fokonolona mpanara-dia.
Tao Ambatofinandrahana renivohitra ny distrika dia notafihin’ny dahalo koa ny tanànan’Ambolomborona ka omby telo vala no lasan’izy ireo. Tsy nifandrenesana ny poa-basy hoy ny mponina any an-toerana.
Hatramin’izao dia tsy mahita vahaolana amin’ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ny fanjakana. Mbola hisy fifidianana azo atao ihany ve any amin’ity distrika ity eo anatrehan’izao olana be amin’ny tsy fandriam-pahalemana izao?
Jesy Rabelaolao