La Gazette de la grande ile

Fanemorana fifidianana : Miankina amin’ny fifanarahana pôlitika ?

Publié le 20 octobre 2018

Mahoraka indray ankehitriny ny mety hihemoran’ny tetiandrom-pifidianana. Izany moa dia vokatra ny fitakian’ireo kandida maro, ankoatra ny efa notsindrian’ny vondron-kery hafa. Omaly dia nihaona teny amin’ny Foiben’ny Ceni eny Nanisana ireo kandida mpifaninana hofidiana sy ny Ceni, nahitana koa ny avy amin’ny Samifin sy ny Bianco. Isan’ireo nandrasan’ny maro ho tonga teny ny avy amin’ny governemanta sy ny Hcc fa tsy nipoitra.
Ny filohan’ny Ceni , ny Me Hery Rakotomanana dia nanipika fa raha ny lalàna no ifotorana dia tsy misy azo atao momba izany fanamboarana isan-karazany sy fanatsarana izany satria hitaky fanemorana ny fifidianana izany, ka fifanarahana pôlitika no ahafahana miroso amin’izany.

Lire aussi