La Gazette de la grande ile

Alakamisy Fenoarivo : Olona 6 mamaky ady amin’ny kaominina sy ny vahoaka

Publié le 20 octobre 2018

Feno hipoka tanteraka ny tranompokonolona tao Alakamisy Fenoarivo, omaly, nandritra ny fihaonana mivantana teo amin’ireo tompon’andraikitry ny kaominina sy ny vahoaka ao an-toerana. Anton’ny fivoriana ny olana lehibe izay mianjady amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao, dia ny fisian’ny andian’olom-bitsy izay mibodo ny tanin’ny kaominina maherin’ny 1 ha. Mazava ho azy fa tsy mankasitraka an’io toe-javatra io ny vahoaka ao Alakamisy Fenoarivo sy ireo mpitantana ny kaominina, isan’izany ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana. Raha hiverenana kely ny tantara, dia efa tamin’ny taona 1977 no efa fananan’ny kaominina io tany maherin’ny 1 ha io rehefa natao ny fangatahana rehetra ary tamin’izany fotoana izany no efa nanana taratasy ara-dalàna ny kaominina. Tamin’ny taona 2003 no nahorina teo amin’ity tany ity ny CEG ary tamin’ny taona 2005 kosa ny biraon’ny kaominina. Ankehitriny anefa, misy olona 6 no milaza fa izy ireo no mandova an’io tany io ary nahavita nanamboatra taratasy fizaram-pananana hosoka, tamin’ny taona 2013. Ireto olona 6 ireto izay mitonon-tena ho taranak’Andriantsianika, mpanjaka tany amin’iny faritra andrefan’Antananarivo iny, tamin’ny andron’Andrianampoinimerina. Efa vitan’izy ireo moa ny famindrana anarana na ny “mutation” an’ilay tany ka tsy afaka manao na inona na inona eo amin’ity tany ity intsony ny kaominina. Eo amin’izay resaka fandovàna aloha dia efa betsaka ny zavatra tsy mitombina satria rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra ary voamarina fa tsy misy rohim-pihavanana mihitsy ireto olona 6 milaza ho mpandova ny tany ireto, raha ny fanazavana nomen’ingahy Andrianaivo Rakotobe Christian, ben’ny tanànan’Alakamisy Fenoarivo. Tena olana lehibe ho an’ny kaominina izao fibodoana ny taniny izao satria misy ny fotodrafitrasa lehibe tokony hatsangana eo amin’io tany io saingy voasakana, ankehitriny. “Efa misy ny mpiara-miombon’antoka ara-bola avy any ivelany no efa vonona ny hanome famatsiam-bola mitentina 550 tapitrisa ariary hananganana ivon-toeram-piofanana. Efa vonona ihany koa ny vola hanorenana CSB II vaovao manara-penitra. Nalain’ireo olona milaza ho taranak’Andriantsianika ireo anefa ny tany ankehitriny ka tsy afaka manangana fotodrafitrasa ny kaominina. Ny tena voa mafy amin’izany anefa dia tsy iza fa ny vahoaka tokony hisitraka ireo fotodrafitrasa ireo. Tsy azonay tompon’andraikitra eto anivon’ny kaominina sy mponina eto an-toerana ekena mihitsy toe-javatra izany ka manao antso avo amin’ny fanjakana foibe izahay mba hijery akaiky izao olana lehibe misy eto aminay izao”, hoy ny ben’ny tanàna Andrianaivo Rakotobe Christian, fantatra ny rehetra amin’ny anarana hoe “Boni”.

Efa nangataka ny fanafoanana ilay “mutation” ary nitory ireto olona mibodo tany ireto ny kaominina. Mbola eny anivon’ny fitsarana ny raharaha ary mety haharitra volana vitsivitsy vao hivoaka ny didim-pitsarana. Fatiantoka lehibe ho an’ny kaominina sy ny mponina ao an-toerana anefa izany satria mety hisintaka ireo mpamatsy vola avy any ivelany ka tsy ho tafatsangana indray ny fotodrafitrasa, hoy ihany ben’ny tanàna. Tsy mponina ao Alakamisy Fenoarivo ihany no afaka hisitraka izany CSB II sy ivon-toeram-piofanana fa hatramin’ny mponina ao amin’ny kaominina Ampitatafika iray manontolo. Marihana fa nanatrika ity fivoriana omaly ity koa ny ben’ny tanànan’Ampitatafika izay miombon-kevitra tanteraka amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo sy vahoaka ao aminy.

F.Tsihiavonana

 

Lire aussi