Publié le 20 octobre 2018
Ny tontolon’ny fandraharahana ara-toekarena sy ny mpikirakira vola maneran-tany no taitra raha nahita ny lahatsoratra navoakan’ny Fiombonamben’ny mpanao gazety mpitrongy dia (consortium international des Journalistes d’investigation) ao amin’ny gazety “Le Monde”, ka niresaka ny fandraharahana ny makamba eto MAdagasikara.
An’arivony taonina isan-taona ny makamba na “crevettes” avy eto Madagasikara, hoy ity gazety “Le Monde” ity no mitobaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izay sahanin’ny vondrom-barotr’ilay mpandraharaha teratany karana mizaka ny zom-porenena frantsay, Aziz Ismail, sy ny fianakaviany, ifandovany. Misy amin’izany ny makamba “dia” (sauvage) sy ny makamba ompiana, ka na any Eraopa na any Amerika na any Japana dia ahitana azy, ary ny orin’asa “Unima” no mibahana ny sehatra. Ity orin’asa “Unima” ity moa no anaran’ny orin’asan’ny Fianakaviana “Ismail Aziz”.
Nahazo tombon-dahiny rahateo moa ny vokatra atosak’ity orin’asa “Unima” ity eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, hoy ny vokatry ny fanadihadian’ny mpanao gazetin’ny “Le Monde”, satria izy io no nahazo ny fanamarihana sy fahazoan-dalana na fankatoavana manokana (certificat Label Rouge) avy amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny jono frantsay.
Araka io lahatsoratra nateraka ny fitsongoan-dian’ny mpanao gazetin’ny “Le Monde” io dia mananika ny 73 tapitrisa dôlara isa-taona ny vola miditra ao amin’ity orin’asa “Unima” ity amin’ny fanondranaa makamba fotsiny avy eto Madagasikara mitosaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Efa ifandovana moa ny fangejan’ny Fianakaviana Ismail ity sehatry ny fandraharahana makamba ity ka efa ny zanany lahy “Amyne Ismail” izao no mitantana ny raharaha.
Etsy ankilany, tsy mahagaga koa raha isan’ireo mpanefoefo maneran-tany ity Ismail ity satria miray tsikombakomba maloto sy zary manao “raharaha maloto” mihitsy aza eo amin’ny raharahan-ketra.
Manangana orin’asa “matoatoa” ry zareo, toy ny “Ergia Ltd” any Angletera, ka i Amyne Ismail koa no talen’izy io.
“Orin’asa matoatoa” anefa no famaritan’ny mpanao gazety azy io satria tsy hita voaka akory na ny foibeny na izay mba mpiasa ao. Nefa dia io no hoe “misahana ny fametrahana ny paikady” (mission de consultance) amin’ilay orin’asa “Unima”.
Ao anatin’izany fananganana “orin’asa matoatoa” ambara fa misahana ny paik’ady momba ny otrin’asa “Unima” izany no mampahomby ny fanaovana hosoka na fialana andraikitra ankolaka amin’ny fomba maro tsy hanefana hetra. Dia voalaza hatramin’ny hoe “nidiram-paty antoka ampolony tapitrisa dôlara ary nidiran-trosa mitovitovy amin’izany koa.” Tetika itsoahana amin’ny fanefana hetra izany.
Ny mpitondra fanjakana nifandimby teto moa dia zary ao ampaosin-dry zalahy karana miseho ho “mpandraharaha ara-toekarena” toa itony, ary lalaovin’izy ireny hiantoka ny hampahomby ny sitra-pony mihitsy.
EFa hatramin’ny taona 1992 tany no nahazo sehatra teo amin’ny tontolom-pandraharahana teto ny tsikombakomba maloto amin’ny mpitondra nifanaovan-dry Ismail, ary izao izy “manontany ny ory” amin’ny fanaovana ampihimamba ny makamba malagasy izao.
Ny mampalahelo anefa, zara raha misy ny 1%-n’ny Malagasy no mba misitraka izany makamba avy eto Madagasikara izany, fa dia tonga amin’ilay oha-pitenenana hafahafa izay hoe “maniry manitra toy ny alika miambozon-koditra” fotsiny eto. Anarany ny mba mamokatra an’ireny makamba ireny i Madagasikara fa ny vahiny no mitavana azy sy migoka ny maminy, vokatra ny tsikombakomba maloto sy ny hosoka isan-karazany.