La Gazette de la grande ile

Ambatofinandrahana : Resin’ny dahalo tanteraka ny zandary sy ny pôlisy

Publié le 17 novembre 2018

Tamin’ny zoma faha 09 novambra 2018 lasa teo dia notafihin’ny dahalo ny tanànan’Ambatofinandrahana ka mangazay telo no vaky tamin’izany ary nalainy tsy nisy navelany ny entana tao amin’ireo toerana ireo. Nanao izay tiany hatao tanteraka ny dahalo izay niisa hatrany amin’ny 60 lahy mahery, hoy ireo nanatrika. Tsy tonga namonjy ny zandary sy ny pôlisy tany an-toerana. Ny ampitson’io dia nivory ny mpivarotra rehetra tao Ambatofinandrahana ka nanontany any antony tsy namonjen’ireo mpitandro filaminana ity fanafihana ity nefa dia ao amin’ny renivohitra ny distrika no nisy izany. Tamin’izany no nilazan’ny lehiben’ny distrika ao Ambatofinandrahana fa be noho ny vitsy ka sarotra ho an’ny mpitandro filaminana no hiditra tamin’iny raharaha iny satria hery tsy mitovy. Valin-teny somary nandiso fanantenana ny olona ihany, ary lasa resaka ankehitriny.

Ny zava-misy marina hoy ny pôlisy sendra nanaovanay fanadihadiana avy any Ambatofinandrahana ny alarobia 14 novambra 2018 lasa teo dia namaly izy ireo fa be loatra ny dahalo ka tsy vitan’ny mpitandro filaminana intsony. Nahazo tampim-baravarana hatramin’ny mpitandro filaminana, hoy izy ireo tamin’iny raharaha iny. Tsy vitan’izany fa manana bala sy basy marobe noho ny mpitandro filaminana ny dahalo any amin’ity distrika ity ankehitriny. Raha nanontaniana mahakasika ny hetsika fampandrian-tany ankehitriny ireo pôlisy ireo dia nilaza fa ny isan’ny mpitandro filaminana ao amin’ity distrika ity no tokony hampitomboina fa tsy hatao hetsika mandalo toa ny nisy hatramin’izay. Raha vao vita ireny hetsika manokana ireny dia miverina indray ny asan-dahalo ka mafimafy kokoa noho ny teo aloha.

Jesy Rabelaolao

Lire aussi