La Gazette de la grande ile

Trafikana andramena : Misy sambo sinoa mihaodihaody ao Cap Masoala

Publié le 17 novembre 2018

Manararaotra ny savorovoro pôlitika misy eto amintsika amin’izao fotoana izao ireo mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Fantatra ankehitriny araka ny loharanom-baovao nomen’ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana iray fa misy, tato anatin’ny andro vitsy izao, ny sambo sinoa iray mihaodihaody any amin’iny faritra ny ranomasin’ny Cap Masoala iny. Raha ny omaly ohatra dia tany amin’ny 50 km miala ny sisin-tanin’ny nosy Sainte Marie no niantsona ity sambo sinoa ity. Voalazan’io fikambanana io moa fa efa naka andramena tao anelanelan’ny tanànan’Ifao sy Vinanivao ity sambo sinoa ity, ny andron’ny fifidianana tamin’ny 7 novambra teo. Mbola misy anefa ny andramena tokony halainy ao amin’io faritra io ihany ka izay no antony mahatonga azy mbola mihaodihaody tsy lavitra ny nosy Sainte Marie, tato anatin’ny andro vitsy. Raha ny fantatra dia mahazaka entana hatrany amin’ny 5 arivo taonina ity sambo ity, izany hoe afaka mitondra bolabolana andramena maro.

F.Tsihiavonana

Lire aussi