La Gazette de la grande ile

Fambolena korontana : Nampitandrina mafy ny Emmo-Nat

Publié le 17 novembre 2018

Misafotofoto ny fiainana ara-pôlitika ankehitriny ary maro amin’ny olom-pirenena manahy mafy amin’ny mety hisian’ny korontana na krizy pôlitika vaovao eto amin’ny firenena. Manoloana izany toe-javatra izany indrindra, nanantanteraka fivoriana teny amin’ny Toby Ratsimandrava etsyAndrefan’Ambohijanahary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Etat major mixte opérationnel national na ny Emmo-Nat. Taorian’ny fivoriana dia nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notarihin’ny kaomandin’ny zandariamariam-pirenena, ny jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa. Hentitra ny Emmo-Nat raha nampitandrina ireo rehetra izay mikàsa ny hamboly korontana eto amin’ny firenena. Betsaka mantsy ny resaka mandeha etsy sy eroa izay miteraka ahiahy sy tebiteby eo amin’ny vahoaka, ankehitriny. Nambaran’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena fa firenena tan-dalàna i Madagasikara ka tokony hanàja toy ny anakandriamaso ny lalàna ny rehetra, na kandidà ho filoham-pirenena na olom-pirenena tsotra. Raha misy ireo minia mamboly korontana dia handray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana, ho fitandroana ny filaminam-bahoaka. Ankoatra izay, miantso ny Malagasy mba ho tony sy hitandro mandrakariva ny fihavanana ao anatin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialy koa ny Emmo-Nat, nandritra izay tafa tamin’ny mpanao gazety izay.

F.Tsihiavonana

Lire aussi