Publié le 17 novembre 2018
Ifandroritana sy ifanomezan-tsiny ankehitriny ny raharaham-pifidianana. Mampalahelo ary mahalasa fisainana, satria io fifidianana io no nifampihampangana koa teto. Ny sasany manizingizina fa “io fifidianana io no hampilamina sy hirosoana amin’ny fampandrosoana”. Ny hafa manipika sy manindry fa “io fifidianana io no ho loharanon’ny fikitranana sy hampikorontana eto”.
Vita iny ny fihodinana volaohany. Ny alin’ny faha-7 Novambra ihany dia efa nisy ny niezaka nihiaka fa “lany fihodinana voalohany” na tsy nanana voka-pifidianana firy tonga teo aminy aza, ary tsy mba niezaka nampahafantatra ny fototry ny ho fahalaniany fihodinana voalohany. Tato aoriana moa dia tsy re nihiaka an’izay fahalaniany fihodinana voalohany izany intsony ry zareo satria efa nanova paika maloto, dia ny hampiakarana faran’izay tratra ny vato azon’ireo kandida sasany mba tsy hahatraran’ny kandida roa voalohany ny 50%. Izany hoe mba tsy hisian’ny lany fihodinana voalohany. Ny ho fifanohanan’ireo mpifaninana hafa hiara-miatrika ny fihodinana faharoa no paika maloto vaovao.
Fa etsy ankilany, mampiaka-peo koa ny avy amin-dRajoelina satria ry zareo dia manana ny porofo amin’ny fitanana an-tsoratra, hoy izy ireo, fa mihoatra lavitra ny 52%-n’ny vato manan-kery ny vokatra azon’ny kandida laharana faha-13. Izany hoe tsy araka ny vokatra navoakan’ny Ceni hatramin’izao fa “lany fihodinana voalohany izy”.
Etsy ankilany, ry Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy, na efa nihiaka fa “lany fihodinana voalohany avy hatrany” aza dia lasa mivoy ny “ndeha hiatrika fihodinana faharoa”, satria na efa mihodinkodina be tsy ahitana taratra ny fahamarinana aza ny voka-pifidianana avoakan’ny Ceni dia tsy mety tafakatra laharana voalohany ny kandida Ravalomanana fa faharoa hatrany, ka tsy mety amin-dry zareo indray ny hoe “lany fihodinana voalohany”. Dia ho mora amin-dry zareo ny hanapoaka ny korontana eto aorian’ny fihodinana faharoa raha tsy lany izy satria hoe saika manohana azy ny ankamaroan’ireo kandida tsy tafita sy ny mpisehatra pôlitika maro hafa.
Fa iza koa anefa no afaka hiantoka fa raha tena manaa ny marina ny mpiara-dia amin-dRajoelina dia hanaiky lembenana raha mihintsana amin’izao fihodinana voalohany izao?
Dia zary lasa loharanom-pikitranana tokoa izao ilay fifidianana, ary hita taratra amin’izao tranga ankehitriny izao, raha nanaraka ny lahatsoratra isan-karazany nanaovanay famakafakana teto ianao, fa izao mihitsy no nahiana.
Izahay tsy hoe momba ny fitakiana ny tsy tokony nanaovana an’iny fifidianana iny na manohitra azy ireo, fa nanipika ny tetika maloton’ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena, izay tokony hahamailo antsika. Nambaranay teto mivantana fa “ampiadian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena isika ary mitetika ny handrehitra ady an-trano eto ry zareo”. Mifamondron-kery moa ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ary mifaninana ao anatiny ao ny samy firenena lehibe satria ny tanjona iombonan-dry zareo dia ny hanao rapa-dango ny harembe eto Madagasikara. Ho sarotra ny hahombiazan’izy ireo an’izany raha miray hina na raha tsy mikorontana na raha tsy miady an-trano ny samy Malagasy. Dia io resa-pifidianana io no irika hitan-dry zareo hahatrarana izany tarigetrany izany.
Manainga ny vahoaka Malagasy kosa izahay eo anatrehan’izany rehetra izany, tsy hamakivaky ny firaisan-kina efa nananana hatrizay, fa hanamafy azy aza, ka hiara-hiatrika ny fahavalo iombonana, dia ny Fianakaviambe Iraisam-pirenena. Tsy ny frantsay sy ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ihany anefa no hofongorintsika eto, fa ireo saribakoliny sy ny zaza navelany avy, ka alao hery fa “i Madagasikara dia an’ny vahoaka Malagasy fa tsy ho an’ny vahiny.”
D.R.