Publié le 17 novembre 2018
Efa mazava ankehitriny ny toe-draharaham-pirenena nahakasika ny fifidianana tamin’ny faha 7 novambra 2018 iny fa hitarika korontana eto amin’ny tany sy ny fanjakana indray ity raharaha ity. Maro no olana napetraka hatrany amboalohany nefa natao tery vay manta ny raharaha ka io mitranga indray ny olana rehefa vita ny latsa-bato.
Efa ho ampolon-taonany maro izao no nisedra olana tamin’ny fanatanterahana ny fifidianana isika Malagasy noho ny antony ara-pôlitika. Misy koa ny raharaha teknika taty aoriana.
Raha mikasika ireo lafin-javatra roa ireo isika dia mahita fa manana olana goavana i Madagasikara. Olana izay efa niainana nanomboka ny taona 2001-2002 ity tsy ahitam-bahaolana ity, ka lasa tsy milamina ny firenena.
Eo amin’izay sehatra filaminana ara-pôlitika izay no tsy itovian’ny fomba fijery ankehitriny satria samy manana ny fomba fahitany azy ny rehetra. Izay be vava sy manam-bola hatrany no toa manana ny rariny. Rehefa midona amin’ny tolana sy ny rindrina ary ny vatobe vao tonga saina ireo milaza azy fa filoham-pirenena sy mpitarika pôlitika ireo.
Ny zava-misy dia fehezin’ny komity iraisam-pirenena tanteraka ny firenena Malagasy. Ataony kenda roroka hoy ny fitenenana ka tsy avelany mba hahazo hitraka fa dia tsy maintsy manaraka baiko. Rehefa tonga ny olana dia izy indray no miseho ho mpamaha izany ary mbola manindry mafy koa aza. Dia izany no mitranga amin’izao fotoana izao.
Tonga eto amintsika ny mpanara-maso avy amin’ny Vondrona erôpeanina momba ny fifidianana, toa izany koa ny vondrona afrikanina sy ny rantsamangaika miaraka aminy toa ny Sadc. Torak’izany koa ny vondron’ny tany miteny ampahany sy miteny tanteraka ny teny frantsay.
Ny mahagaga dia milaza izy rehetra ireo fa mizotra amim-pilaminana sy araka ny tokony ho izy ny fifidianana. Misy ny olana nefa tsy dia manao ahoana loatra izany, hoy hatrany ireto mpanjanaka vaovao ireto. Mahita sy mahatsapa izy ireo fa be ny lesoka ary maro no tsy ara-dalàna nefa mbola ninia nikipy hatrany izy ireo.
Efa nahita ny rehetra hatrany amin’ny fanomanana fa tsy mety ity raharaha ity fa hampiady ny Malagasy. Isan’ny niteny sy nanaitra ny sehatra rehetra teto Madagasikara sy ny iraisam-pirenena ny fikambanan’ireo kandidà 26. Noesoesoana sy noharabiana izy ireo noho izany ka nampiakarina ny feo hoe kandidà tsy niomana ireo ka mila kisa. Dia samy niteny ny kandidà nanam-bola sy ny mpomba azy hamela ny fifidianana handeha.
Miseho ny olana ankehitriny satria ireo kandidà izay nanizingizina fa tsy maintsy ataon’ny fifidianana ankehitriny no lasa avo feo fa tsy ara-dalàna ny ataon’ny Ceni, ka tokony ho foanana io fifidianana io. Tsy ingahy Andry Rajoelina na ny Mapar izay mitazona ny laharana voalohany amin’ny vokatra azon’ny Ceni izay 39, 52% ihany no miteny ankehitriny fa hatramin’ny mpomba an’ingahy Ravalomanana Marc koa izay faharoa ka manana ny salanisa 36, 35%. Hatramin’ny HVM izay antokon’ingahy Hery Rajaonarimampianina dia milaza koa fa tokony ho foanana any io fifidianana io fa tsy ara-dalàna.
Zava-doza no mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny. Efa misy koa vondron’olona mpanao pôlitika sy fiarahamonim-pirenena ankehitriny milaza fa dieny mbola tsy tara dia tokony ho foanana io fifidianana io fa hiditra amin’ny fandaminana vaovao hijerena ny tena tombotsoan’ny vahoaka Malagasy hono.
Rahampitso alahady faha 18 novambra 2018 no milaza fa hamoaka ny vokatra vonjy maika ny Ceni. Ny Ceni izay ipetrahan’ny olana marobe amin’izao fotoana izao. Mazava ny vokatra havoakany amin’izany fa ingahy Andry Nirina Rajoelina no mitarika, ary hanaraka azy i Marc Ravalomanana.
Ireo vokatra avy any amin’ny Ceni ihany nefa no tsy maintsy handraisan’ny HCC (Fahefana avo momba ny lalàmpanorenana) didy sy hotsaraina.
Be dia be ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao. Misy ny kandidà milaza fa nandresy tamin’ny fihodinana voalohany iny.
Inona no hataon’ny HCC izay fahefana tokana afaka mandray andraikitra farany amin’ny fampiharana ny Lalàmpanorenana sy ny fifidianana?
Hitsipaka ve sa hamely fantsy ny HCC? Miankina aminy tanteraka ny hisian’ny korontana na tsia eto amin’ny firenena raha izao zava-mitranga izao no jerena.
Jesy Rabelaolao