Publié le 16 mars 2020
Tsy mazava intsony ny resaka fitantanana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Tsy hita izay hanarahana ny raharaha fa misafotofoto izay tsy izy.Ny ao anivon’ny fitondram-panjakana ao no manahirana be ankehitriny ny fomba fiasa.
Malaza be ankehitriny ny mahakasika ny fomba fandraisana mpiasa ho ao amin’ny kabinetran’ny ministera maromaro. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia amin’ny alalan’ny antsoina hoe “appel à manifestation d’intérêt”ny olona hampidirina amin’izany. Tena mahagaga ihany satria tsy fanao izany satria iankina-javatra maro amin’ny politikam-panjakana sy ny tsiambaran-telon’ny fitondrana ireo toerana ireo.
Raha toa ka ny mpikambana ao amin’ny kabinetra no andraisana olona manampahaizana fa tsy mahay politika dia hafahafa ihany toa ny kiraron’i Beminahy. Ny kiraro an-kavia no lasa an-kavanana dia iarahan-tsika mahita ny fandehan’izany fa mampianjera.
Raha mijery ny zavatra mitranga tao anatin’ny governemanta indray isika mamakafaka marina ny fanambaran’ny minisitrin’ny serasera sy ny filohan’ny repoblika iny dia mahagaga ihany satria nahoana no miteny eo alohan’ny filoham-pirenena ny minisitry ny serasera nefa zavatra iray ihany no lazaina. Tsy vitan’izany fa zavatra iray mifanohitra no lazan’izy ireo ao anatin’ny elanelam-potoana iray andro mahakasika ny fanankatonana ny sisin-tany noho ny fiarovana amin’ny aretina covi-19 ity.
Raha mijery ny zavatra mitranga eny amin’ny antenimierampirenena sy ny minisitra ao anatin’ny governemanta indray isika dia mifandramatra imasom-bahoka ny depiote IRD (isika rehetra miaraka amin’i Rajoelina ) sy ny minisitra. Zavatra tokony efa ho vita mirindra tsara izany vao isehoana imasom-bahoaka sy hanaovana fivoriana itambaram-be. Tsy indray mandeha ihany no ahitana izany fa saika matetitetika. Politika nefa no atao ary firenena no entina.
Firy moa ireo depiote izay mangataka fihaonana any amin’ny minisitra no mimenomenona ankehitriny fa tsy raisin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta? Toa izany koa ny mpikambana tsotra avy amin’ny TGV sy ny Mapar ary ny IRD no tsy mahita ravina avaratra intsony amin’ny lehibeny toa ny sekretera nasionaly sy ny mpandrindrany. Ny tena olona hoy ihany ireo mpikatroka ireo dia tsy misy na fivoriana intsony na fihaonana fa dia napetraka toa ny lamba ahahy izahay ankehitriny rehefa vita ny fifidianana.
Ny fotoana toa izao no tsy maintsy hifanakalozana hevitra ara-politika sy hanaovana adi-hevitra lalina momba ny raharaham-pirenena. Na inona na inona no fomba fijery vaovao sy fahaizana amin’ny fananana diplaoma ambony sy marobe dia tsy ampy izany raha tsy mandeha tsara ny ady hevitra politika ao amin’ny antoko iray na ny firenena iray fa indrindra raha mitondra fanjakana.
Ny tena olana amin’ity raharaha ity dia ny tsy fahatsapan’ny olona izay mitondra fanjakana ny mampiavaka ny raharaha politika sy ny raharaha teknika ka lasa olana amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fampandehanana azy izany.
Hoan’ny firenena mandroso eran-tany dia miavaka tsara ny resaka fitondrana firenena. Ny mpanao politika no mitantana ary ny teknisianina no mpanatanteraka ny asa. Ny eto amin-tsika nefa tsy izany no mitranga fa mifangaro tanteraka ny andraikitrin’ny roa tonta ka izao mampikatso ny raharaham-pirenena izao.
Jesy Rabelaolao