La Gazette de la grande ile

Lavamaso

Publié le 23 octobre 2021

Tafahaona ireto mpisakaiza niara-nianatra rehefa ela tsy nifankahita. Rehefa vita ny fifanatsafana, dia nivadika ny resaka.

- Ary mba efa nifankahita tamin’i Zefa ilay niara-nianatra tamintsika tao amin’ny kilasy Terminaly, ve, ianareo e ?

- I Zefa Bôgôsy ve ?

- Iny indrindra !

- Efa nanambady iny !

- Marina ve ?… Ka iza, hono, no vadiny, r’ise ?

- VEHIVAVY, r’ise ! hoy Razily.

- Ny anarany, anie, no tiako ho fantatra, fa AIZA, MOA, NO HISY OLONA HANAMBADY LEHILAHY !

- Misy dia misy tokoa, f’ise angaha ahoana ?

- Iza koa no HANAMBADY LEHILAHY, hoy ise?

- NY RENIN’ISE, kah !

- ???

Lire aussi