Publié le 28 juin 2022
Tsy mbola milamina ankehitriny ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro eny Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo, Faritra Itasy. Tsiahivina ihany fa efa tamin’ny volana novambra 2020 no nanapaka ny fitondram-panjakana fa hafindra eny an-toerana ity tetikasa lehiben’ny filoham-pirenena ity rehefa tsy nanaiky ary nijoro hatramin’ny farany ny mponina eny Ambohitrimanjaka, saingy mandrak’ity ny androany tsy mbola vita ny fifampiresahana eo amin’ny Fanjakana sy ireo olona manana tany voakasika amin’io tetikasa io. Midika izany fa tsy mbola mahavaha olana mihintsy aloha hatreto ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy toeram-ponenana, Gerard Andriamanohisoa, izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro.
Tsara tsiahivina ihany fa velaran-tany 1000 ha no voalaza fa hanaovana ity veliranon’ny filoham-pirenena ity ka fokontany miisa fito ao anatin’ny kaomin’Imerintsiatosika sy ny kaomin’i Tsimahabeomby no voakasika amin’izany. Tsy ho tratra anefa ny 1000 ha raha tsy maka tanin’olona tsotra na ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe « expropriation » ny Fanjakana. Misy ampahany amin’ireo tompon-tany no efa nanaiky ny hanome ny taniny izay oneran’ny Fanjakana, saingy mbola maro kosa no tsy manaiky mihintsy hatramin’izao. Teo amin’ny roa tokom-bolana teo izao no nisy fifampiresahana farany teo amin’ireo solontenam-panjakana sy ireo tompon-tany ka tsy mbola nisy ny fifanarahana tapaka tamin’io fivoriana io. Araka ny fanazavana nomen’ny tompon-tany nanatrika ny fihaonana, dia efa nilaza ho vonona ny hanome ny taniny ny ankamaroan’ireo olona tsy nanaiky tany amboalohany, fa izy ireo kosa no mamaritra ny fanonerana atao azy ireo mba tsy ho matiantoka.
Ny Fanjakana kosa, etsy ankilany, tsy mbola nilaza mazava raha manaiky na tsia ny fangatahana ataon’ireo tompon-tany fa tahaka ny manodikodin-dresaka fotsiny izay mazava ho azy fa tsy mahafapo ny mponina eny an-toerana. Tsy fantatra aloha hatreto hoe raoviana indray no hitohy ny fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany fa ny azo aloha dia sahirana ny Fanjakana amin’ny fandresen-dahatra ireo tompon-tany. Mirazotra amin’izany anefa dia efa mandeha ankehitriny ny asa fananganana ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse manara-penitra ao Imerintsiatosika izay mifandraika amin’ny tetikasa Tanamasoandro.
F. Tsihiavonana