La Gazette de la grande ile

Veliranon’i Mamimbahoaka : Tsy tontosa ny fahandriampahalemana eto

Publié le 17 novembre 2022

Ny haino vaky jery, ny tambajotra ara-tsosialy rehetra dia saika mitatitra isan’andro momba ny tsy fandriampahalemana misy eto Madagasikara. Velirano voalohany napetraky ny filohampirenena Mamimbahoaka, dia ny velirano momba ny fandriampahalemana. Tsy hisy mihitsy ny fampandrosoana vanona eto, satria miha mirongatra ary manjaka hatrany ny asan-dahalo. Lazaina izany fa tsy tontosa an-tsakany sy an-davany ny fampiharana ny velirano voalohany, dia ny fahandriampahalemana izany. Toa lasa an-jorom-bala, tsy ahitana fivoarana ny fahandriampahalemana eto amin’ny firenena, na dia misy aza ny ezaka vita, dia tsy ampy velively. Ho an’ny tany lavitra andriana, sahin’ ny dahalo ny mandoro velona ireo mpiray tanindrazana aminy, ny halatr’omby tsy manam-petra , eo koa ny herisetra miaro fanolanana atao miampy ny fanafihana sy fandoroana trano maro. Raha ny an-drenivohitra kosa dia eo ny asan-jiolahy manafika tokantrano maro amin’ny andro atoandro na ny alina. Be koa ny tratry ny sinto-mahery eny an-dalam-be hatrany anaty fiara fitaterana, izay miaraka amin’ny rahom-bava ataon’ireo mpanedaka, ary mampiasa fitaovam-piadiana toy ny antsy lava sy basy amin’izany. Ho an’ny dahalo ambony latabatra dia miha mahazo vahana ny fanaovana kolikoly avo lenta any anaty biraom-panjakana samihafa, izay tsy mety foana tanteraka. Mampitaraina ny olompirenena avokoa izany olana mianjady aminy izany. Miaina horohoro sy tebiteby lava na mivoaka na mijanona ao an-tokantrano. Ny anjara asan’ny mpitandro filaminana dia natao hiaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany, fa tsy ny mpitandro filaminana indray no manome modely ratsy.

Arak’izany, ny fametrahana ny veliranon’i mamimbahoaka , momba ny fandriampahalemana , dia tokony hifanaraka amin’ny fampiharana ny paik’ady mahomby hikajiana izany hatrany. Hiroborobo ny fihariana isam-baravarana, rehefa misy izany mba ho antoky ny fampandrosoana maharitra na any amin’ny tany lavitra andriana aza.

Aina Soa

Lire aussi