La Gazette de la grande ile

Inty sy Nday

Publié le 24 novembre 2022

Tsy ho voaaron’ny fotodrafitrasa ny fahefam-panjakana

Ady hevitra mbola tsy mitsahatra hatramin’izao ny ataon’ny fanjakana sy ny mampangetaheta ny ambanilanitra. Ny ambanilanitra dia milaza fa « ny fahafaha-mividinay no jereo haingana vao mieritreritra zavatra hafa fa izay no endrika fototry ny fahantrana ». Ny fanjakana indray manizingizina fa « efa manao ny ezaka rehetra ikarakarana ny vahoaka izahay, ary jereo fa marobe ny fotodrafitrasa mitsangana any anivon’ny fiaraha-monina izay ho fototry ny fikarakarana ny vahoaka ».

Tsy misy mitsipaka ny fahamarinan’ny hevitry ny mpitondra, ary mbola azo heverina aza fa hiantoka ny fampivoarana maharitra ny fiainan’ny vahoaka ny fisian’ny fotodrafitrasa eny anivon’ny fiaraha-monina, indrindra fa miantoka ny fampihodinana ny toekarena izy ireny na manatsara ny sosialy andavanandron’ny malagasy.

Ny tsy azo ikimpiana na anentsenan-tadiny koa anefa dia raha vahoaka mahantra no tolorana fotodrafitrasa mamiratra sy lafo vidy, eny ambara mihitsy aza hoe « manaraka ny fenitra iraisampirenena », dia toy ny mandatsa azy izany.

Ny tsy mbola mety eken’ny mpitondra rehetra nifandimby nitantana ny fahefam-panjakana teto, ary tafiditra ao anatin’izany ny mpitondra ankehitriny, dia ny vahoaka malagasy rehefa tapitra ny fotoana iaretany ny mafy dia lehilahy izay ho tafavoaka velona eo fa « tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany » .

Maro ny olona no milaza hoe « aoka izay ny korontana fa mamotika firenena ». Tsy misy manome lanja na maniry ny hisian’ny korontana. Ny tsy tokony hadinoina anefa, ary sintonina manokana ny fisainan’ny mpitondra amin’izany, dia ny hoe « ny vahoaka ange rehefa manapoaka ny sarom-bilany ka te hamarana ny korontana nianjady tamin’ny fiainany mandavan-taona izy e ! » Korontana ange no iainan’ny ankohonana isan-tokantrano rehefa tsy misy harapaka e ! Sa milamina, hoy ianareo ? Korontana no miseho rehefa tsy misy ny fandriampahalemana izay tokony hiantoka ny fiarovana ny aina sy ny fananan’ny ambanilanitra. Sa milamina ny fiaraha-monina rehefa manjaka ny tsy fandriampahalemana ? Korontana no iainan’ny fianakaviana tsirairay avy, ary mandavan-taona io, rehefa mianjady aminy isanandro ny tsy fahafahana mitsabo raha sendra aretina. Korontana no iainan’ny ankohonana isan-tokantrano rehefa tsy afaka mampianatra ny zanany ny ray amandreny noho ny tsy fisian’ny vola hoenti-mividy ny kojakojam-pianarana na tsy ahafahana manefa ny saram-pisoratana anarana na tsy ahafahana mandoa ny saram-pianarana, na ny latsakemboky ny ray amandrenin’ny mpianatra… Korontana no iainana rehefa tsy mitsahatra midangana ny vidim-piainana. Korontana no ianinana rehefa tsy mba afaka miala voly toy ny rehetra ny ankohonana, sy ny endri-pahasahiranana tsy ho voatanisa eto e !

Etsy ankilany, ny mpitondra sy ny vitsy an’isa mbamin’ny vahiny mpanani-bohitra mpandroba harena eto no milamim-piainana mandavan-taona eo anoloan’ny korontan-dava mianjady amin’ny vahoaka. Ireo milamim-piainana ireo no manasa ny ati-dohan’ny vahoaka sy manampempo ny ambanilanitra hoe « tsy mahasoa ny fidinana andalambe satria miteraka korontana ».

Rehefa tapitra ny fotoana andeferan’ny vahoaka noho ny fiainany voakorontana mandavan-taona dia mitady hevitra handaminana ny fiainany izy ka ny fidinana andalambe hatreto no hitan’ny vahoaka hamaranana izay korontana mianjady aminy izay. Noho izany, adidin’ny fanjakana ny miezaka mamaha ny olana isan-karazany mianjady amin’ny vahoaka mba tsy hitadiavany vahaolana handaminany ny fiainany amin’ny alalan’ny fidinana andalambe. Raha izay no mitranga, tsy hahavita miaro ny fahefam-panjakana ny fotodrafitrasa vitany na manjelatra toy ny masoandro aza.

Tohanana

Lire aussi