La Gazette de la grande ile

Mamimbahoaka : Nopotehan’ireo namany

Publié le 03 décembre 2022

Irahana mahalala fa malemy tanteraka ny antoko politika mpanohitra eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Sady tsy manan-kevitra no tsy manan’olona ary koa tsy manam-bola. Toa ireny firenena any amin’ny tany tatsinana izay anjakan’ny antoko tokana no misy eto amin’ity nosy ity. Ny fanoherana eto Madagasikara ankehitriny dia tsy misy intsony fa rediredy sisa no misy.

Ny mpomba an’ingahy filoham-pirenena ihany no mpanohitra azy sy mamotika azy ka mitarika ny vahoaka tsy ho tia ity fitondrana ity. Fanapotehana ny fitondrana ankehitriny io ataon’ny ben’ny tanàna ankehitriny eto Analamanga Naina Varira io. Taiza no mbola nisy hetra hiakatra 1000% teto ambon’ny tany raha tsy ny ataony. Tena tsy faly amin’io raharaha io ny vahoaka. Be dia be no manozona mihitsy izao fitondrana izao fa fanapotehana ny Malagasy no atao ary fihantsiana ny vahoaka hilahatra an-dalambe. Tompon’andraikitra koa ny minisitrin’ny Vola Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Tena fomban’ny mpanohitra no ataon’izy ireo.

Dia toa izany koa no ataon’ny depiote IRD( isika rehetra miaraka amin’I Rajoelina). Mandany lalàna tsy ampiheverana. Ny filohany Razanamahasoa Christine moa dia voatsikera mafy amin’ny resaka “népotisme” na ny kinamanamana sy ny fanaovana “intervention” amin’ny lafiny maro. Be dia be no mitaraina amin’ny zavatra ataony ny mponina any Amoron’i Mania sy Matsiatra ambony iny na dia ny fametrahana ireo mpiasam-panjakana any amin’ireo faritra roa ireo fotsiny aza. Mitarika ny olona tsy ho tia ny filoha izany.

Mahakasika ireo depiote sy ny senatera ary ny vadiny manondrana volamena tany amin’ny faritra avaratra ireny voLana vitsy lasa izay. Toa izany koa ny ataon’i Mamasôsy izay minisitrin’ny serasera sy ny filazam-baovao izay efa mahaleo tanteraka ny Malagasy. Lanto Rakotomanga sy ny fanodikodinana ny harem-pirenena ary ny fanaparam-pahefana ataon’ireo depiote ireo amin’ny fangalana fibaboana ny tsenambarom-panjakana ireny. Mitaraina izay tsy izy ny mpandraharaha noho izany. Firy moa no fitarainana mahakasika an’i Rinah Rakotomanga amin’ny fanapotehana ao amin’ny Air Madagascar ireny.

Iarahana mahita ny olana ataon’ny mpitantana ny JIRAMA izay mamotika vahoaka sy ny firenenay. Ny ady an-trano ataon’ny mpikambana ao amin’ny IRD toa ny ataon’ny depiote Nina any Mahajanga sy Jocelyne any Antsiranana. Tsy faly ny olona maro ary mitarika tsy fitiavana ny filoha intsony izany. Maro no azo lazaina fa avela eo ny fitanisana . Hisy fiatraikany amin’ny fifidianana 2023 ireny.Ny mpomba an’i Mamimbahoaka ihany no mamotika azy.

Randriambe Jesy Rabelaolao

Lire aussi