Publié le 03 décembre 2022
Hagagana ny an’ny vahoakan’Aloatra Mangoro tamin’ny namoahan’ny fanjakana ny didim-panjakana laharana 2022-1479 tamin’ny 28 novambra 2022 izay manendry ny governora vonjy maika hisahana ny fampandehanan-draharaha amin’ny faritra roa, dia i SAVA sy Alaotra Mangoro. Telo volana lasa izay dia ireo olona voatendry ireo ihany no niantoka ny fampandehan-draharaha tao amin’ireo faritra roa ireo. Mampametram-panontaniana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana ny amin’ny hoe nahoana no nakatso telo volana ny asan’ny governora kanefa ilay olona teo ihany ny notendrena vonjy maika?
Efa madiva hifarana tokoa mantsy ny taom-pampiasam-bola ka heverina ho izay no anton’izao fahamehana izao. Tantaovan-trosa tsy toko tsy forohona ny faritra Aloatra Mangoro, nandritry ny fitantanan’ny governora teo aloha, Ramandehamanana Richard. Ny dr Damoela Randriatsimaniry no voatendry ho governora vonjy maika ho an’Alaotra Manogoro izay marihana fa tssy olom-baovao amin’ny mponina fa olona iray petsapetsa tamin’ny governora teo aloha ihany. Marihana fa maherin’ny 70 ny isan’ireo olona nandefa antontan-taratasy tany amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena izay maniry ny hitantana ny faritra Aloatra Mangoro, saingy tsy misy voaray daholo izany.
Lalao. R