La Gazette de la grande ile

Antenimierandoholona : Tapaho ny karaman’ny senatera

Publié le 03 décembre 2022

Nanao fihetsiketsehana omaly ny mpiasan’ny Antenimierandoholona nitakian’izy ireo ny karamany. Fihetsehana nilamina nefa nampihetsi-po satria avy hatrany dia niantefa tany amin’ireo loholona na senatera ny eritreritra. Ireo loholona ireo mantsy dia olom-panjakana ambony, ary mitana ny laharana faharoa eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny Antenimierandoholona, raha ny arofenitra no jerena. Izay no mahatonga ny filohan’ny Antenimierandoholona ho misahana ny asan’ny filohampirenena amin’ny fotoana maha-banga ny toeran’ny filoha (na nametra-pialana, na nisintaka vonjimaika, na maty…)

Ny mahavariana anefa dia ireo mpiasan’izany andrimpanjakana izany indray no tsy tsy misitraka ny valin-katsembohany. Azo eritreretina ve hoe « tsy mandray karama ny mpiasan’ny fiadidiana ny Repoblika na ny mpiasan’ny fiadidiana ny primatiora ? »

Rehefa mitranga ny tsy fandraisana karama toa izao dia lasa ny fisainana hoe « ireo loholona na senatera ireo anefa mandray ara-potoana tsy misy anombinana ny karamany sy ny tambin-karamany ary ny tombontsoa rehetra mifamatotra amin’ny satany ». Dia lasa ny eritreritra hoe « raha mba tapahina indray mandeha hoe ny karama sy tambin-karama ary tombontsoan’ireo loholona na senatera ireo mba hanefana ny karaman ‘ny mpiasa ao ? » Tsy hihetsi-bolomaso ve ireo Loholona ? Ka nahoana no manao vain-drahalahy tsy maharary toa izao ianareo ?

Tsy tokony ho loholona na senatera no iantsoana ireo ao amin’ny Lapa-maitson’Anosikely fa tsy mahalala ny fahasahiranan’ny « zanany » na ny madinika.

Dia raha kianin’ny olona amin’izany tranga izany ilay fitondrana dia hisy ny ho tezitra hoe « manao vavan’ny very fihinanana ». Aoka kosa tsy atao toa izany fa hajao sy aloavy ny tambin-jon’ny mpiasa e. Tsy ho zakanareo misitraka karama ara-potoana tsy misy anombinana ireo izany hoe « tsy naharay karama ara-potoana izany », ka mba henoy ihany ny kiakiakan’ny mpiara-miasa fa kodiaran-tsarety ange ny fiainana e, ny ambony mbola ho ambany ary ny ambany mbola ho ambony.

Tsimba

Lire aussi