La Gazette de la grande ile

Ambatondrazaka : Miaro mpanao ratsy ny OJM

Publié le 05 décembre 2022

Miteraka resabe ao Ambatondrazaka ilay raharaha famonoana teratany sri-lankais izay nataona mpanao gazetin’ny Televizionina Malagasy (TVM) iray, ny 22 novambra lasa teo. Niakatra fampanoavana tao an-toerana moa io mpanao gazety io na i Edhie Rambikarison, ny zoma lasa teo, ka nampidirina am-ponja vonjimaika taorian’izay. Ny zava-misy anefa dia mihezaka ny miaro mafy azy ny holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM), ary nanome baiko ireo mpanao gazety rehetra ao Ambatondrazaka mba tsy hiresaka ity raharaha ity mihintsy.

Marihana fa ny 22 novambra lasa teo no nitrangan’ny tantara, tao amin’ny fokontany Avaradrova, kaominina ambonivohitra Ambatondrazaka. Nandeha fiara niaraka tamin’ny vadiny ity mpanao gazetin’ny TVM ity no nahita teratany Sri-lankais iray teo akaikin’ny toby fiantsoanan’ny taxi-brousse mankany Andilamena teo aloha. Najanony avy hatrany ny fiara ary nanantona ilay Sri-lankais i Edhie Rambikarison nitaky ny taratasy teny amin’io teratany vahiny io. Tsy nanaiky izany anefa ity farany satria ny mpitandro filaminana ihany no manan-jo hisava taratasina teratany vahiny araka ny voalazan’ny lalàna. Tsy faly tamin’izany i Edhie Rambikarison ka namoaka basy ary nidaroka ilay Sri-lankais. Tsy vitan’izay fa mbola nopotehany koa ny finday lafo vidy teny amin’io vahiny io.

Nitory teny amin’ny polisy ilay Sri-lankais ary niakatra teny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Fantatra fa nangataka tamin’ity mpanao gazetin’ny TVM ity mba hifanaraka na hanao « arrangement » amin’ilay vahiny ny mpampanoa lalàna ao an-toerana, saingy tsy nety nanao izany i Edhie Rambikarison fa izy indray nametraka fitoriana na nanao fahadisoana aza. Marihana fa ankaotra ny fikasihan-tanàna olona izay voaràran’ny lalàna, ary ny fisandohan’andraikitra tamin’ny fisavàna taratasina teratany vahiny eny an-dalana, dia fantatra fa efa tsy ara-dalàna intsony ny taratasy fahazoan-dàlana mitondra basy eo am-pelatanan’ity mpanao gazetin’ny TVM ity. Noho ireo vesatra iampangana azy ireo dia naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany rehefa nandalo teo anivon’ny fitsarana, omaly.

Ny zava-misy anefa dia tsy mankasitraka izao fanenjehana sy fampidirana am-ponja an’i Edhie Rambikarison izao mihintsy ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara noho izy mpiasan’ny Televizionina Malagasy. Namoaka fanambarana ny filohan’ny OJM, ny alakamisy lasa teo izay milaza fa antom-pijoroan’ny holafitra ny miaro ny mpanao gazety, ary mangataka izy ireo amin’ny tsy tokony hisian’ny fitsarana tsy mitanila amin’ity raharaha ity. Tsy vitan’izay ihany fa mbola nanome baiko ireo mpanao gazety rehetra ao Ambatondrazaka mba tsy hiresaka ny raharaha amin’ny haino aman-jery sy amin’ny gazety ihany koa ny filoha lefitry ny OJM ao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, Janus Raembosoa.

Mazava ho azy fa ny tanjona amin’izany dia mba ho feon-dakilosy tokana ny vaovao mivoaka, izany hoe izay lazain’ny haino aman-jeri-panjakana irery ihany. Na inona na inona fanazavana dia fifampiarovana amin’ny tsy rariny na ilay ambara amin’ny fiteny frantsay hoe « corporatisme malsain » izao ataon’ny holafitry ny mpanao gazety izao satria tsy heloka amin’ny fanaovan-gazety no nataon’i Edhie Rambikarison fa tena heloka sazian’ny fehezan-dalàna fahamaizana (infraction de droit commun). Tsara ny manamarika fa efa malaza ratsy amin’io fomba ratsy fanaony sy ny fanambanana olona amin’ny basy io ity mpanao gazetin’ny TVM ity ao Ambatondrazaka. Voalaza koa fa efa misy aretin-tsaina ny tenany ka izay no antony mahatonga azy hanao izany.

Ramanana

Lire aussi