Publié le 05 décembre 2022
Lanonam-panjakana lehibe no natao teny Talatanivolonondry Avaradrano ny sabotsy teo ho fanamarihana ny fanombohan’ny fanamboarana ilay lalana migodana mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina. Raha ny toerana andehanan’io lalana migodana io no asian-teny dia mifandray mivantana amin’ny lalan’i Tsarasaotra eto Antananarivo izy io ka mandalo an’i Sabotsy Namehana, miazo an’Anosy Avaratra iny dia mandalo an’Ambohimanga Rova, mandalo an’i Talatanivolonondry, hatrany akaikin’Anjozorobe any dia mivoaka any Andaingo Alaotra ary mitohy any Brickaville any…
Ny fanombohana ny asa no natao ny sabotsy teo, ary voafaritra sahady ireo toerana tena hanaovana ny asa. Satria moa tafiditra ao anatin’ny tetik’asa « ho amin’ny tombontsoam-bahoaka » (pour cause d’utilité publique) ilay izy ka azon’ny fanjakana atao ny maka ny fananan’olon-tokana ho amin’izany. Tsy maintsy oneran’ny fanjakana kosa anefa izany, ka matetika dia vola no onitra aloan’ny fanjakana.
Tamin’ity tetik’asa lalana migodana ity dia tsikaritry ny mpitazana fa toa natao ankamehana ilay izy, nefa tokony misy ny dingana lalovana, toy ny fanaovana fanadihadiana antsoina hoe « enquete cômmôdô in cômmôdô », dia manao ny fanadihadiana momba ny tontolo iainana (impact environnemental) sy ny hafa momba izany, ary mifampiresaka amin’ny mponina manodidina koa, indrindra fa ireo tompon’ny tany tsy maintsy anaovana ny tetik’asa. Tokony ifampierana amin’ny fokonolona na ny olona tompon’ny tany alain’ny fanjakana ny onitra fa tsy ny fanjakana no mamaritra azy ka atao tian-kano tsy tain-kano.
Tamin’iny sabotsy iny moa vao nisy ny fihaonan’ny olona maro teny Talatanivolonondry ka tamin’iny koa no nitrangan’ny fahavoazana teo amin’olona roa satria noho ny fahatampohana teo amin’ny fahafantaran’izy ireo fa lasan’ny fanjakana hanaovana ity tetik’asa ity ny taniny, dia taitra ka tapaka lalandra izy ireo.
Mety ho maivana ihany angamba izany, hoy ny olona sasany, indrindra fa raha ampitahaina amin’ny lanjan’ilay tetik’asa ho an’ny vahoaka, saingy tsara lavitra ihany koa ny misoroka, ka raha mba tsy notampohina ilay olona fa nialohavan’ny fifampiresahana mialoha dia mety tsy ho nitranga izao fahatapahana lalan-dra izao.
Etsy ankilany, isan’ny mampikaikaika ny fokonolona any amin’iny Talatanivolonondry iny ny fahenoana fa 7.000 ariary isaky ny metatra tsy mivadimandry ny onitra homen’ny fanjakana azy ireo. Kely dia kely !
Mety hohamaivanin’ny olona sasany koa izany, indrindra fa nangorom-potsy ny olona tonga teny, ka hisy hilaza hoe « vitsy ny mimenomenona fa nankasitrahan’ny vahoaka marobe teny ilay tetik’asa ». Mety ho marina izany, saingy tsy azo hadinoina fa maro tamin’ireny vahoaka ireny koa no notaterina taty Antananarivo sy ny manodidina, ary na ho an’ny vahoaka aza dia tsy tokony hisy hahatsiaro fahavoazana fa mitovy eo anoloan’ny lalàna.
La Gazette