La Gazette de la grande ile

Talem-paritry ny serasera Analanjirofo : Sady lany henatra no manampatra fahefana

Publié le 05 décembre 2022

Tsy tambo isaina ireo fihetsika tsy mendrika asehon’ireo tompon’andraikitra maro ao anatin’ny fitondran’i Mamimbahoaka, ary anisan’izany ny Talem-paritry ny ministeran’ny serasera, dia Ratsimbazafy Luc Berthieu any Analanjirofo. Sady lany henatra no manampatra ny fahefany eny anivon’ny fiaraha-monina izy. Mamo niantso zandary Ratsimbazafy Luc Berthieu, Talem-paritry ny serasera any Analanjirofo ny herinandro lasa teo, vokatry ny fimamoany teny an-dalambe. Nirenireny teny izy ny misasak’alina, ary nilaza fa nahita mpangalatra tao Sahavola, ka izay no antony niantsoany ny zandary tany an-toerana. Tsy nisy akory ilay mpangalatra araka ny fampitam-baovao. Sorena ny zandary ary dia noraofin’ny zandary tany amin’ny tobim-paritry ny zandarmaria io Talem-paritry ny serasera io ka nampatoriana tao , ary vao mangiran-dratsy dia nalefa nody. Amin’ny maha Talem-paritry ny serasera an-dRatsimbazafy Luc Berthieu , dia mampiteny ny anarany any Analanjirofo amin’ny fihetsika tsy mendrika tompon’andraikitra misahana andraikitra ara-panjakana izy. Maro ny fihetsika mamoehatra nasehon’io talem-paritra io raha hilaza ilay hadalana nandoman’ny olona noho io fimamoana io ihany ny taona 2020, izy tenany no namily ny fiarakodia tamin’izany. Anisan’ny mampikolay ny mponina any Fenoarivo Atsinanana koa ny fanamparam-pahefana tao amin’ny toeram-pisakafoana musulmana ka velon-taraina tanteraka amin’ny ataony. Vaky vava ary lasa ambentin-tenin’ny mponina ao Analanjirofo ny hoe « ireny no mba olon-dry Lalatiana, manala baraka ny fitondran’i Mamimbahoaka …». Toa mampihena andro aman’alina ny fankamamiana ny fitondrana amin’izao ny ataon’ity talem-paritry ny serasera ity kanefa tokony ho fitaratra eo anatrehan’ny fiaraha monina any. Tokony hisy ny masontsivana apetraky ny fitondram-panjakana, hoy ny olom-pirenena amin’ny masontsivana amin’ny fanendrena olona hisahana asam-panjakana ambony. Mateti-piavy toy ny sotrokely raha ny isan’ny hadalana nataon-dRatsimbazafy Luc Berthieu, talem-paritry ny Serasera any Analanjirofo, hoy ny rehetra. Lany olom-banona sy olo manga ve ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka tsy mety voaongotra amin’io toerana io ity Talem-paritry ny serasera any ity. Andrakitra izay tokony ahitana toetra sy fihetsika filamatra, ary mila manome sary mendrika momba ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ilay faritra izy. Toa misora-bolamena ity Talem-paritry ny Serasera ity kanefa sady lany henatra no manampatra fahefana mandritra ny maha talem-paritra azy any. Mijery fotsiny ny hadalany ny minisitera mpiahy izany.

La Gazette

Lire aussi