La Gazette de la grande ile

Rinah Rakotomanga : Sady « boto » no « surveillante » ?

Publié le 28 mars 2019

Talen’ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny didim-panjakana farany fantatry ny vahoaka fa nanendrena an-dRtoa Rinah Rakotomanga. Asa na mifaninana izy sy ny minisitra ny Serasera sy ny kolotsaina, Rakotondrazafy Lalatiana, fa dia hita etsy, tazana eroa, hatrany, indrindra fa ny tontolon’ny fitondrana foibe sy ny fiadidiana ny Repoblika.
Naniraka solontenam-panjakana niazo an’i Koweit zao ny filohampirenena, araka ny fampanantenany tamin’ireo vehivavy Malagasy nila ravin’ahitra tany ka mitaraina hitodi-doha an-tanindrazana. Ny avy amin’ny ministeran’ny Asa sy ny avy amin’ny ministeran’ny Raharaham-bahiny no nandeha tany, ary mbola any raha ny vaovao navoakan’ny haino aman-jery omaly. Isan’ireo delegasiona any koa i Rinah Rakotomanga. Dia nifanontany ny maro hoe “angaha ny fiadidiana ny Repoblika koa nandefa solontena na iraka no tsy mba voamarika tamin’ny filazam-baovao?” Lasa fisainana ihany mantsy ny mpanara-maso hoe “raha amin’ny anaran’ny fiadidiana ny Repoblika no nandehanan’i Rinah Rakotomanga tany Koweit dia amin’ny maha-talen’ny fifandraisana azy izany. Izany hoe resaka fampitam-baovao ve?” Dia manontany tena ny mpitazana hoe “fa angaha dia tsy misy mpanao gazety hafa na olona misahana ny serasera eo ambany fiadidian’ny talen’ny fifandraisana ao amin’ny prezidansa no izy tale mihitsy no lasa manao ny asan’ny mpampita vaovao sy midina an-tsehatra mitrandraka vaovao tao ireny any Koweit ireny”? Izany tokoa no hoe “sady boto no surveillante”.

Misy koa moa ny manamarika hoe “sao amin’ny maha-tale azy ao amin’ny haino aman-jerin’ny filohampirenena kosa no nandehanany any?” Dia vao mainka manamarina ny hoe “sady boto no surveillante” izany e! Raha amin’ny maha tale azy ao amin’ny Viva no nandehanany any dia tena asan’ny mpanao gazety no nataony. Dia angaha tsy misy mpanao gazety azo nalefa tany fa tsy maintsy izy amin’ny maha-tale azy? Na izy mbola manentana fandaharana ao amin’ny Viva aza ange mampieritreritra e!

Ny marimarina kokoa dia tombontsoa goavana no otazana rehefa mamita iraka mankany ampita toa ireny ka tsy maintsy izy mandidy manapaka no misitraka izany tombontsoa izany fa tsy azony ifampizarana amin’ny hafa na mba omena ny hafa ny asa.

Efa tsikaritra ny olona ihany ary tsy miafina amin’ny maro ny momba an’i Rinah Rakotomanga, na izy niaraka tao amin’ny fiadidiana ny repoblika fony vao niakatra ho filohampirenena i Hery Rajaonarimampianina na izy tao amin’ny masoivoho Malagasy any Parisy Frantsa raha vao tafakatra teo amin’ny fitantanana ny fitondrana tetezamita i Andry Rajoelina, na izy tao amin’ny fiadidiana ny primatiora fony Praiminisitra i Tantely Andrianarivo, sy ny maro hafa e! Mahazendana ihany raha olona toa azy no isan’ny itokian’ny filoha Andry Rajoelina.

Tsimba

 

Lire aussi