La Gazette de la grande ile

Fampandrosoana an’i Madagasikara : Sao dia vahaolana ny fitondrana jadona ?

Publié le 18 octobre 2019

Amin’izao repoblika fahefatra izao dia maro amin’ireo mpandinika sy mpamakafaka ny raharaham-pirenena no mihevitra fa tokony hisy ny ady hevitra lehibe mikasika ny rafitra tokony hapetraka eto Madagasikara. Misy ohatra ireo mihevitra fa tsy mbola tsy mety amintsika Malagasy ny demôkrasia nalaina tahaka tamin’ny tandrefana fa tokony hiverina amin’ny rafi-pitantanana nisy talohan’ny fanjanahan-tany. Tsy vitsy koa anefa ireo milaza fa vahaolana mety hampandroso an’ity Madagasikara ity ny fametrahana fitondrana jadona satria efa manjaka loatra ny gaboraraka eto amintsika ary miha mahazo vahana eo anivon’ny fiaraha-monina hatrany ny tsy fanajàna lalàna sy ireo fitsipika natao hifampifehezana. Rehefa jerena tokoa ny zava-misy eto amin’ny firenena, ankehitriny, dia lasa ihany ny eritreritra ary mampanontany tena hoe : “sao dia vahaolana ho an’ity firenena Malagasy ity tokoa ny fametrahana fitondrana jadona?” Ny jadona tian’ny olom-pirenena maro resahina eto akory dia tsy ilay endri-pitondrana jadona toy izay nisy tany Alemana tamin’ny andron’i Hitler na tahaka ny zava-misy any Korea Avaratra amin’izao fotoana izao, fa fitondrana hentitra sy tsy mitsitsy amin’ny fampiharana lalàna sy ny fanapahan-kevitra raisina. Ny eto Madagasikara mantsy, azo ambara fa tsy mbola manana toe-tsaina mampandroso firenena ny ankamaroan’ny Malagasy ka matetika dia sarotra ho an’ny fitondram-panjakana no mametraka ny fanovana tiany atao eto amin’ny firenena. Ohatra azo raisina ny zava-nisy teo amin’ny tontolon’ny fanabeazana, vao herinandro vitsy lasa izay. Mihevitra ny fitondrana fa ilaina ny fanovana ny rafi-pampianarana satria tsy mifanaraka amin’ny toe-trandro intsony ny rafitra misy, ankehitriny. Maro anefa no tsy nankasitraka izany ka voatery niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny governemanta. Ohatra azo raisina ihany koa ny zava-misy eny Ambohitrimanjaka, tato anatin’ny herinandro vitsy izay. Vahaolana hamahana ny olana maro sedrain’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ny fanorenana ny tanàna vaovao Tanamasoandro, saingy noho ny toe-tsaina mbola tsy tia fandrosoana loatra sy ny fanararaotana ara-pôlitika ataon’ny sasany dia sakanana amin’ny fomba rehetra ny tetikasa. Tsara marihana fa tany Rwanda, firenena izay lasa fitaratra aty Afrika eo amin’ny fandrosoana, dia mampihatra izay endri-pitondrana jadona izay ny filoha Paul Kagame raha tsy izany dia tsy tonga amin’izao toerana misy azy izao ity firenena ity. Nahatsapa ohatra ny filoha Rawandais fa anisany tsy mampandroso ny fireneny ny fahamaroan’ireo fiangonana sy toeram-pivavahana misy ao aminy ka niroso tamin’ny fanakatonana fiangonana miisa 6 arivo sy mosqué 100 ny fanjakana any an-toerana. Mazava ho azy fa maro amin’ireo Rwandais no tsy mankasitraka izany fanakatonana fiangonana izany, saingy rehefa izay no heverin’i Paul Kagame fa hampandroso ny fireneny dia notanterahina hatramin’ny farany izany. Tsy any Rwanda ihany fa amin’ny firenena mandroso maro dia saika ahitàna izay endri-pitondrana jadona izay, raha tsy hiresaka ny any Rosia, Vietnam, Chine ary tany Lybie tamin’ny andron’ny kolonely Khadafi.

F.Tsihiavonana

Lire aussi