Mbola resaky ny eny rehetra eny hatrany ny zava-nitranga teo amin’ny loholona Lylison sy ireo niara-dia taminy nanoloana ny jeneraly Florens sy ireo miaramilany, ny talata faha-29 martsa teo iny. Mazava ny anton’izany, dia satria tsy mety hoeken’ny sain’ny maro mihitsy ilay hoe efa nahazo alalana ny senatera Lylison, na tsy tokony haka izany aza amin’ny maha olomboafidy azy, kanefa dia sady nosakanan’ny “mpitandro ny filaminana” no sady mbola voatoraka baomba mankarenina sy mandatsa-dranomaso ihany.
Asa koa na fifandrifian-javatra na ahoana fa ireny fihetsiky ny miaramilan’ny jeneraly Florens ireny no tonga amin’ilay fitenenana hoe “senegaly nahazo baiko”. Fifandrifiana ve?... Mipetraka ny fanontaniana satria mbola ao an-tsain’ny mahafantatra ny tantaram-pirenena fa ny toa ireny no fihetsik’ireo “senegaly” nobaikoin’ny mpanjanaka tamin’izany raharahan’ny faha-29 martsa 1947 izany: miandry teny midina fotsiny dia tsy mahalala afa-tsy ny midaroka ihany. Miverina indray ny “zava-nisy” aty amin’ny taona 2016, 69 taona aty aoriana?… Toa nihoatra ny tamin’izany fotoana izany anefa ny fandehany, satria niarahan’ny rehetra nahita fa diso fiantefa ny baomba mandatsa-dranomaso saika ho natifitra an’ireo mpilahatra ka tany an-tokontanin’olona izany no nilatsaka, ary teo afovoan’ny ankizy maromaro nilalao.
Maro amin’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena àry no mihevitra fa nisy “fahadisoana” tao anatin’ny fanatanterahan’ny “mpitandro ny filaminana” ny asany tamin’iny fotoana iny. Tsy hiadian-kevitra ny hoe ny nanatanteraka sa ny nanome baiko no “diso”, fa ny tiana hanontaniana kosa dia ny hoe havelavela amin’izao, tsy hisy tohiny ve iny raharaha iny ê ?... Mipetraka ihany koa ny fanontaniana raha mahatsiaro ny raharaha “Jean Pierre”, ilay mpianatra nodarohin’ireto miaramilan’ny Jeneraly Florens ireto ihany, teny Ankatso. Asa tokoa izay tohin’izy iny fa ny be galonan’ny “mpitandro ny filaminana” milaza fa efa nisy, hono, ny sazy nampiharina, fa ny vahoaka sy ny niharan’ny herisetra tsy mahalala na inona na inona mahakasika an’izany: mbola mitady fanazavana hatrany, efa firy volana aty aoriana. Samy nahita koa anefa ny rehetra fa ny tany ivelany, tao Frantsa, dia ora vitsy taorian’ny nitrangan’ny raharaha tahaka an’iny dia niseho sy niteny tao amin’ireo hainoaman-jery ny minisitra tomponandraikitra ka nanameloka ilay fihetsik’ilay pôlisy. Tsy misy an-kanafina ny an-dry zareo fa tsy maintsy ampahafantarina ny vahoaka. Nahoana no tsy maka lesona amin’i Lafrantsa, izay firenena mibaiko azy, ny mpitondra eto amintsika ê ?... Sa ve tena marina tokoa ny lazain’ny sasany hoe baiko avy any amin’ny mpiteny sy mpampiasa ny teny frantsay no nahatonga ireny tamin’ny talata 29 martsa teo ireny ê ?... Asa ?
Na izany na tsy izany anefa dia mampahatsiahy ilay hiran’ny tarika Mahaleo, “Ô Ramiaramila ô, iny zava-nitranga iny. “Manana satroka tsara tarehy” ka “Tsy maintsy tanterahina ny baiko miaramila” kanefa… nisinisy ihany koa ny taty am-pitan-dry zareo no nindrana ny tononkiran’i Gangstabab, dia ilay hoe “Mbola ho azoko ianao iny ê…”
Raha hotsorina dia tena efa miha ratsy ny raharaha eto amintsika eto. Efa mifampiandriandry ny samy malagasy… ka izany no ilazana ny hoe Ô Ramiaramila ô, raha mba toa ireny moa no fihetsika sy fahavononanao rehefa miantso anao ny vahoaka mba hiaro azy sy ny fananany ê ?... Diniho kely, hoy ilay namana iray izay.
Lalou