Minisitra voalohany nitantana ny departemantan’ny kolotsaina tao amin’ny fitondrana Repoblika faharoa tamin’ny 1976 i Laha Gaston, natolotry ny Monima. Rehefa tsy nifanaraka tamin’ny fitondrana tamin’izany fotoana ny Monima tamin’ny 1977 dia nisintaka tao anatin’ny fitondrana ireo olon’ny Monima tao, dia i Laha Gaston, minisitry ny Kolotsaina sy ny Dr Randranto Marius, minisitry ny Asampanjakana. Tsy nanaiky niala tamin’ny toerana maha-CSr azy kosa ry Remanindry Jaona.

Taty amin’ny taona 1992 indray, raha nanangana rafi-pitondrana tetezamita niombonana ny ankolafin-kery politika teto vao tafaverina tao anatin’ny fitondrana i Laha Gaston. Mpikambana tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny fanjakana (Hae na “Haute Autorité de l’Etat) izy tamin’izany.

Rehefa raikitra ny fanatanterahana ny Fihaonambem-pirenena (Forum national) tamin’ny 1992 dia niezaka ny hampiditra volavolan-dalàmpanorenana manana sata Rafitra Federaly ireo nirona tamin’ny tsangan-kevitra Federalisma. Nihazo ny toerana nanaovana ny fihaonambem-pirenena teny amin’ny Complexe Scolaire teny Ampefiloha ry zareo fa voasakana. Nisy rahateo koa ny karazan’olona nikasa ny hanakorontana na handrava mihitsy an’ilay fihaonambem-pirenena fa tsy nahatanteraka. Nifindra teny amin’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina ny fivoriana ka tonga teny ihany koa ireo nitaky ny hampidirana ny volavolan-dalàmpanorenana federaly. I Laha Gaston, izay mpandray anjara tao amin’ny fihaonambem-pirenena tamin’ny anaran’ny ankolafin-kery MMSM (Mandateheza Miaro ny Sosialisma Malagasy) no nivoaka ny varavaran’ny Kianja Mitafon’i Mahamasina taty aoriana misy ny Kianja “Annexe” nisakana an’ireo mpandala ny foto-kevitra federaly nikasa ny handrava ny Fihaonambe..

Ny ampitso faha-31 marsa 1992 dia nandray fanapahan-kevitra ny mpikarakara ny fihaonambe, dia ny fitondrana tetezamita sy ny Ffkm, fa mba hahafahana miantoka ny filaminana dia afindra eny amin’ny efitrano filanonana Cemes eny Sonierana, izay ao anatin’ny faritry ny tobin-tafika ny fivoriana.

Mbola tonga teny ihany ireo mpiandany tamin’ny foto-kevitra Federaly, ary mbola nivoaka ihany nisakana an’ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra ny faritra misy ny tobin-tafika hanaovana ny fivoriana i Laha Gaston. Nambarany fa “faritra mena io ka sao idiran-doza eo raha misy fepetra horaisin’ny miaramila”.

Tsy tapitra akory ny fanelanelanan’i Laha Gaston dia nisy basy nirefotra, ary isan’ny voa voalohany teo amin’ny lamosiny i Laha Gaston, izay nahafaty azy avy hatrany. Toraka izany koa Rakotomandimby, mpiandany tamin’ny foto-kevitra federalisma. I Dadamonja koa voatifitra teo amin’ny tongony, ary nitarika takaitra ho azy izany, ary nentiny mandra-maty tamin’ny 1994 moa io ratrany io. 24 taona katroka anio izany rehetra izany.

Fantatra fa hahatsiaro manokana an’izay Raharaha Cemes Soanierana nahafaty an’i Laha Gaston sy nahavoatifitra ny tongotr’i Dadamonja izay ireo mpiandany amin’ny foto-kevitra Federalisma tarihin’i Tabera Andriamanantsoa ka hametraka fehezam-boninkazo eny amin’io toerana nahavoatifitra an’ireo nanao fihetsiketsehana tamin’iny fotoana iny. I Alain Ramaroson koa, izay nitarika ny Hery Velona Rasalama tamin’ny fotoanandrony dia efa nifamitram-pihavanana tamin’ireo Federalista ka ho avy hametraka fehezam-boninkazo eny koa anio.

Asa na ho avy hisakana izany eny ry Jeneraly Rakotomahanina Florens anio izany na ahoana satria azo antoka fa tsy nangataka alalana toa ny fepetra nataon’ny fitondrana HVm tamin’ny fahatsiarovana ny 29 martsa toa ity teny Soanierana anio ity.