Tamin’ny herinandron’ny paska lasa teo dia lakolosim-piangonana roa no nisy nangalatra tao amin’ny distrikan’i Morondava sy Mahabo, izay ao amin’ny faritr’i Menabe. Noho izany dia lesoka ihany ny fankalazana ny fety noho ny fahaverezan’ireo lakolosy ireo. Ny iray dia tao amin’ny fokontany antsoina hoe Anosibe, ary ny iray faharoa dia tao atsinanana kelin’i Mahabo. Ny iray tao Mahabo ity dia tsy navelan’ireo jiolahy, fa na dia efa nafenina tao an-trano aza dia mbola nataon’izy ireo ihany izay hahazoana azy. Tsy ao Morondava sy Mahabo ihany anefa no efa lasan’ny jiolahy, fa isan’ny voa mafy koa ny any Belo Amoron’i Tsiribihina. Tao amin’ny fokontanin’i Bevily sy Serinamy ao amin’ny kaominina ao Mahazoarivo dia efa lasan’ny mpangalatra koa ny lakolosim-piangonana. Izany dia nitranga tamin’ny faramparan’ny taona 2015 lasa teo iny. Raha ny fanampim-baovao azo dia tsy ny aty Menabe ihany no misy mangalatra lakolosy toa izao ankehitriny fa na ny eto Analamanga koa. Izany lakolosy mitondra marika « RF »izany no tena tadiavin’ireto mpangalatra ireto. Marihina fa ny lakolosy dia vita amin’ny varahana ary misy metaly hafa ihany koa fanampiny. Lafo vidy ankehitriny ireo metaly ireo noho ny tsy fahitana azy loatra intsony eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, ka izao miteraka ny fangalarana lakolosy izao. Mazana dia lakolosy vita avy any ivelany no misy eto Madagasikara hatramin’izao. Ankehitriny dia efa manamboatra ity lakolosy ity ny Malagasy nefa sarotra ny ahitana akora. Isan’ny mampirongatra ity halatra ity izany. Manaraka izany dia ny mpividy vy any Chine izay mitady be ity metaly ity no vinaniana ho tena fototr’izao fangalarana izao . Ilaina fiambenana mafy noho izany ny fiangonana rehetra fa tandidonin-doza izy ireo noho ity halatra vaovao ity. Raha tsy voafehy izany dia tsy hanana lakolosy intsony ny fiangonana maro eto Madagasikara atsy ho atsy ka mety ho lasa angano indray izany any aoriana any.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao