Nisolotena ny foibe FJKM (Fiangonan’i Jesoa Kristia eto Madagasikara) tany Afrika Atsimo indray ny pasitera Lala Rasendrahasina tamin’ny fivorian’ny CWM (Council for world mission), izay fikambanana maneran-tany amin’ny fitantanana ny fiangonana LMS (London missionary society). Ity LMS ity no navadika ho FJKM ho antsika eto Madagasikara. Tamin’ny faha 18 martsa 2016 lasa teo no natao tao Afrika Atsimo ity fivoriana izay nahitana ny filoham-piangonana avy amin’ny firenena marobe. Dia mbola ingahy Lala Rasendrahasina ihany no nalefan’ny foibe FJKM namita ity iraka sy fivoriana lehibe ity. Nafenina ny mpino kristianina FJKM ny fandefasana azy tany, nefa dia izao tsy navelan’ny marina tsy hiseho izao. Ingahy pasitera Lala Rasendrahasina izay voatery nametra-pialana teo amin’ny asany amin’ny maha mpitarika azy ao amin’ny Foibe Fjkm, taorian’ny fahatratrarana azy tao amin’ny trano fitondrana vehivavy tetsy Antanimena tamin’ny volana febroary 2016. Toerana izay tsy mendrika hidiran’ny olona hitondra fiangonana toa itony.
Tena lany olomanga tanteraka ny FJKM hoy ny mpanaraka vaovao avy aty ivelany. Raha ny tokony ho izy dia ny filohan’ny FJKM mpitandrina izay nisolo toerana azy vonjimaika no tokony nandeha namonjy ity fivoriana ity, nefa dia izao mbola mibodo toerana izao ihany izy. Toy ny fanana samy irery an’ingahy Lala Rasendrahasina ny FJKM ity hoy ihany ny mpandinika. Misy ny olona ao amin’ny biraon’ny Fjkm ao mbola miray tsikombakomba amin’ity pastera efa nanota ampahibemaso ity, ary nanala baraka ny fiangonanan FJKM. Mitaraina mafy noho izany ny mpino ao amin’ny fiangonana ary mangataka ny olona izay miray tsikombakomba aminy hiala tamin’ny fitantanana ny birao foibe koa. Raha ny hevitry ny mpino dia tsy tokony hiditra intsony ao amin’ity birao foibe ity ingahy Lala Rasendrahasina satria hono mametaveta ny fiangonana. Mitaky ny marina amin’ny nandefasana tany afrika atsimo io ny mpino FJKM noho izany. Misy olona miray tetika hanimba ny fivavahana FJKM ao amin’ny foibe ao hoy ihany ny kristianina mahalala ity raharaha ity. Nisy ny fivorian’ny mpiandraikitra foiben’ ny FJKM ny volana martsa iny, ka mangataka ny hanambarana ny mahakasika ny raharaha Lala Rasendrahasina ny mpino izy ireo. Fantatra fa misy ny mpiandraikitra amin’ity foibe ity no miady mafy ny hamerenana an’ity filoha tratra nanota ampahibemaso ity ka nanala baraka ny FJKM, amin’ny sinoda lehibe izay hatao any Antsirabe amin’ny volana aogositra 2016 ho avy izao.
Mangataka ny rehetra mba ho olona tia ny fiangonana, mahay, tsara toetra, tsy miavonavona, ka manaja ny etika sy ny deôntôlôjia no hofidiana sy ho laniana ho mpitarika indray ny FJKM. Hatramin’izao dia miteraka korontana sy tsy fitovian-kevitra lehibe ary disadisa amin’ny mpino FJKM iny raharaha Lala Rasendrahasina iny. Mbola mikiribiby hilatsaka ho filoha ihany moa ity pasitera ity hatramin’izao. Maro koa ny milaza fa mbola misy infandraisany amin’ingahy Ravalomanana Marc izay filoha miara-mitantanana ny foibe amin’izao fotoana izao ity tsy fanarahana ny lalàna ao amin’ny FJKM ity.
JB