Nanomboka ny alarobia teo ary nifarana omaly alakamisy any Jakarta renivohitr’i Indonezia ny fivoriamben’ny filankevitry ny antoko politika afrikanina (Capp) sy ny avy any Amerika Latina (Coppal) ary ny avy any Azia (Icapp). Ny lohahevitra ifotoran’ny fivoriana dia ny hoe “Ny anjara toeran’ny antoko politika eo amin’ny fanamafisana ny demokrasia ho amin’ny fampivelarana ny maha-olona” (Le rôle des partis politiques dans le renforcement de la démocratie au profit du bien-être du peuple).
Ireo antoko politika efa nandray anjara tamin’ny tolom-panafaham-pirenena na tamin’ny fanentanana sy fitarihana ny vahoaka ho amin’ny fanovana tao anivon’ny fireneny no voaasa ka mandray anjara amin’izy io.
Ho an’i Madagasikara dia ny Antoko Monima no efa mpiara-dia hatramin’izay ao anatin’ity rafitra iraisampirenena ity ary mpikambana ao amin’io filankevitry ny antoko politika afrikanina io, ka ny filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo, no misolotena ny Monima any Jakarta.
Nanana anjara famelabelarana tamin’ity fihaonana ity ka nifototra tamin’io lohahevitra io moa i Monja Roindefo omaly teo anoloan’ireo mpandray anjara.