Tsy mety mitsahatra ny tsikeran’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena mahakasika ity governemanta fahatelon’ny Repoblika fahefatra ity. Mazava loatra ny antony, dia satria be dia be loatra ireo dosie, atao hoe “hafahafa” mba tsy hampiasaina ny voambolana re eny rehetra eny, izay mahakasika ireo mpikambana ao amin’io governemanta io nimpoipoitra amin’izao fotoana izao. Tsy misy anefa ny fandavana ny fahamarinan’izy ireny, na farafaharatsiny mba fanitsiana avy amin’ireo voakasik’ireo raharaha ireo koa dia izao no tonga amin’ilay fitenenana hoe “ny valala misy moa ny mpilaza mahay rahateo”.

Vao omaly noho omaly ny teto amin’ity sehatra ihaonantsika ity no nanolo-kevitra, ankolaka, ny hoe tokony mba hisy valiny ireny resaka sy lahatsoratra mivoaka etsy sy eroa ireny, kanefa moa tsy nisy izany hatramin’izao. Ny re avy tamin’ny praiminisitra no sady minisitry ny Atitany dia ny hoe tokony hatsahatra ny resaka tsy mitondra ho amin’ny fampandrosoana. Tsy misy maha diso azy izany teniny izany satria tokoa izany fampandrosoana izany no andrandrain’ny rehetra eo anatrehan’izao fahasahiranana mianjady izao. Maro amin’ireo mpanohana azy koa no milaza ny hoe mba avelao aloha hiasa io governemanta io dia ho hita eo izay vokatra vao mitsikera. Marina ihany koa izany, kanefa ny fanontaniana dia ny hoe ahoana moa no hisian’izany fampandrosoana izany eto amin’ity firenena ity raha toa ka mifampiahiahy ny vahoaka sy ny mpitondra ê?... Tsy azo omena tsiny ny vahoaka raha toa ka manana an’izany ahiahy izany satria mivandravandra loatra ny elanelana eo amin’ny fari-piainany sy ny an’ireo nahazo toerana ao amin’ny fitondrana. Ny sarambaben’ny mponina mihafy mandeha an-tongotra, sitran’ny ahay ahazoana mofo dipaina ny tokony ho natao saran-dalan’ny taxi-be, kanefa mahita fa ny

“sasany” miriaria amin’ny fiara faran’izay raitra sy mandany solika. Ny vahoaka sahirana tsy mahita ny harapaka, matin’ny kere mihitsy aza ny sasany, kanefa mahita ny fetibe noho ny “arôzazy” ataon’ny voatazona teo amin’ny toerany sy ny vao nahazo izany toerana izany. Vahoaka izay mahafantatra fa ny avy any am-paosiny no miantoka an’ireny fandanian’ny olom-boatendry sy olomboafidy ireny.

Raha ny tena marina kosa dia tsy dia hoe “fanenjehana” avokoa ireny lahatsoratra na resaka mandeha ary dosie mivoaka ireny. Ny antony ilazana izany dia ny fiheverana fa raha mahay “maka lesona” amin’izy ireny ny mpitondra, izany hoe manazava ny raharaha ary manafay izay nanao ny fahadisoana, dia inoana marimarina fa ho “tsara tarehy” eo anatrehan’ny vahoaka, ary ho mamy hoditra aminy. Nahoana àry no tsy manao izany ireo lehibe ao ambony ao ireo ê ?... Hodisoina àry ve ny mpanaraka ny raharaham-pirenena raha mandefa ny eritreriny any amin’ny hoe sao dia misy firaisana tsikombakomba àry ao ? Sao dia ny “fahaizan’ireo olona ireo ny raharaha hafahafa àry no antony nanendrena azy ireo ?...

Izany rehetra izany no ilazana ny hoe raha mbola toa izao ihany no ho fandehan’ny raharaha eto; raha mbola tsy hiloa-bava amin’ny fanontaniana sy ny ahiahin’ny vahoaka ihany ny mpitondra… dia tsy hisy ny fifampitokisana; tsy hisy izany fampandrosoana izany.

Raha mbola tsy mazava ny raharaha dia mbola vao mainka hilentika ity Madagasikara ity !

Lalou