Tena mibaribary ankehitriny ny finiavan’ny fitondrana HVm sy ireo mpitantana vahiny ao amin’ny orinasa Air Madagascar hamotika tanteraka an’io orinasam-pirenena misahana fitaterana an’habakabaka io. Mibaribary satria raha mikononkonona ny hiroso amin’ny fitokonana mba hitakiany ny zony ireo mpiasa ao dia ny mpitantana ao indray no mandrahona hoe « hakatonay ny orinasa raha mitokona eo ianareo ». Tena ara-bakiteny ny ohabolana malagasy hoe « manao gisa lahy mangala-ketsa ka izy mihinana ny an’ny olona indray no avo vava ».

Ny mpitantana ny Air Mad sy ny fitondram-panjakana tsy mety manatanteraka didim-panjakana mirakitra ny zon’ny hafa indray no mampiaka-peo sy mandrahona hanakatona orinasa. Loza izany.

Tena tsy fahita hatrizay izany an! Ny mpitranga dia ny fihazakazahan’ny mpitantana orinasa na ny tomponandraiki-panjakana mitady ny vahaolana, miezaka mifanakalo hevitra, mifandresy lahatra, mba hiverenan’ny mpitokona amin’ny asany ka hanohizan’izy ireny ny anjara adidiny ao anivon’ny orinasa na eo anoloan’ny firenena.

Tokony hahatsapa haingana ny fatiantoky ny orinasa na ny fahavoazana ho an’ny firenena ny mpitantana orinasa na ny mpitondra firenena raha misy fitokonan’ny mpiasa, ka raha tena tomponandraikitra mahatsiaro ny adidiny eo anivon’ny orinasa izy na eo anivon’ny firenena, dia izay mikatsaka ny vahaolana izay no imasoany haingana. Ny mifanohitra amin’izany koa no miseho eto amintsika fa ny mpitantana indray no milaza hanakatona ny orinasa.

Toa te-hiteny koa ange ireny mpitantana ny Air Madagascar ireny hoe « tsy izahay ange no ho voa mafy raha mikatona ny orinasa fa ianareo mpiasa ka raha izay fitokonana no maharesy lahatra anareo dia tsy sarotiny izahay fa hakatonay koa ny orinasa. »

Efa fanta-poko fanta-pirenena fa ny tomponandraiki-panjakana sy ireo mpitantana ambony ao amin’ny Air Mad no tsy mahomby ka miteraka izao fahavoazan’ny Air Mad izao, ary izany no mahatonga ny mpiasa ao tsy handray karama feno, nefa dia miseho ho tompon’ny fahamarinana fa tsy mba diso mihitsy ireo mpitantana sy ny mpitondra fanjakana miahy azy io.

Ireo mpiasa efatra mirahalahy izay noroahin’ny mpitantana ny Air Mad aza moa, efa nahazo rariny teny anivon’ny fitsarana raha nitondra ny raharaha teny, ary nodidian’ny fitsarana ny famerenana azy ireo amin’ny asany sy ny fanonerana ny karamany sy ny onitry ny fahavoazany nandritra izay volana maro izay, fa sokajian’ny fitondram-panjakana sy ny mpitantana ny Air Mad ho toa ny vohon-tsokatra nilatsaham-baratra ny fitakian’izy ireo ka «henoy izany rey hazon-damosiko.»

Dia efa nampahafantatra ny haratsiam-panahin’ny mpitantana ny Air Mad tamin’ny vahoaka ireo mpiasa efatra noroahin’ny Air Mad fa nomen’ny fitsarana rariny; nefa dia tsy mety hampihatra ny voalazan’ny didim-pitsarana ny mpitantana. Raha olon-tsotra ange izao no manao izao fomba fihetsika tsy manatanteraka didim-pitsarana izao ka azo enjehina amin’ny lalàna famaizana momba ny ady heloka e !

Satria ve olon’ny HVm no nandray ny fepetra tsy nanatanteraka ny didim-pitsarana ho famerenana an’ireo mpiasa efatra tarihin’i Rado Rabarilala ao amin’ny Air Mad dia mihevi-tena ho tsy maty manota ny mpitantana ao ?

Aoka re mba samy handanjalanja ny ataony fa manahirana ange ny miatrika hetsi-bahoaka rehefa mipoaka io sarom-bilany io e !