Mitondra ny fomba fahitany ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena hatrany ny kolonely Lylison izay loholon’i Madagasikara amin’izao fotoana.
Isan’ny niteraka adihevitra teo amin’ny mpanara-baovao politika indray tato ho ato ny tsy fisian’ny minisitera misahana ny asa sy ny lalàna sosialy (travail et loi sociale).
Ny mpisafo raharahan’asa (inspecteur de travail) dia nanipika fa « miandry ny fanitsiana hoentin’ny fivorian’ny filankevitry ny minisitra satria nanambara ny minisitry ny Asampanjakana fa hisy fanamboarana sy fanitsiana ny momba ny departemantan’ny asa sy ny lalàna sosialy fa nisy fanadinoana ».
Izay resaka fanadinoana izay izao dia efa ahitana taratra ny tsy fahaiza-miasa satria raharaham-panjakana faran-tampony ny fanendrena minisitra fa tsy varotra mofogasy na kilalao kanety.
Ny loholona Lylison kosa dia nisarika ny sain’ny vahoaka malagasy satria tsy tongatonga foana tsy amin’antony ny tsy namaritana intsony ny minisiteran’ny Asa sy ny lalàna sosialy.
Ny fanoritana faritra manokana ara-toekarena (zone économique spéciale) toa ny nivarotan’ny mpitondra an’i Taolagnaro amin-dry zareo Maorisianina na ny fivarotana ny ampahan’ny tany mamokatra any amin’ny faritra Sofia dia mampibaribary, hoy ny loholona Lylison fa homena vahana eto ny mpandraharaha avy any ivelany, ary ny mpiasa malagasy no hohandevozina na hohitsakitsahin-jo amin’izany.
Faralahy
Aingaben’ny Tia tanindrazana: “Mihoatra ny fetra azo andeferana ny zavatra iainan’ny Malagasy”
Nitondra famelabelarana teo anoloan’ny mpanao gazety omaly ny fikambanana “Aingaben’ny Tia tanindrazana, antoky ny fampandrosoana” izay tarihin’ny Me Rakotoarison Vincent, mpandrindra nasionaly. Fikambanana ahitana sokajin’olona maro izy io fa ny hita taratra koa dia tsy vitsy ireo mpiangaly ny haiady Kung Fu no miara-dia ao.
Momba ity teboka iray eo anivon’ny haiady Kung Fu sy ny raharaham-pirenena ity aloha dia nanamarika izy ireo fa “tsy miombon-kevitra amin’ny fikaramana an’ady ataon’i Avoko Rakotoarijaona izahay, ary hatramin’izay no tsy niarahanay taminy mihitsy satria heveriny fa lovany manokana avy amin’ny Me Pierre Be ny Kung Fu”. Etsy ankilany, tsy afaka ny hiaraka mihitsy izahay satria ny an’i Avoko Rakotoarijaona dia ampiasainy ny anaran’ny Kung Fu hikaramana an’ady eo amin’ny sehatra politika ka ikatsahany tombontsoa manokana ho azy. Ny tsy hitondranay ny anarana amin’ny maha-mpanao kung fu anay no nahatonga anay hiara-dia anaty fikambanana ka nananganana ny “Aingaben’ny Tia tanindrazana antoky ny fampandrosoana” toa izao, hoy izy ireo. Ny antony dia taranjam-panatanjahantena manana ny toerany manokana ny Kung fu fa tsy sehatra fanaovana fikaramana an’ady politika, ary izany no hafatra masina isan’ny napetraky ny Me Pierre Be taminay.
Fa na tamin’ny anaran’ity fikambanana ity aza no nitenenan’ireto nihaona taminay mpanao gazety omaly dia tsy azo tsinontsinoavina ny maha-mpanao kung fu azy ireo.
Nivoitra tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’ny “Aingaben’ny Tia tanindrazana Antoky ny fampandrosoana” àry omaly ny filazan’izy ireo fa “mihoatra ny fetra azo andeferana na ikombonam-bava ny zavatra iainan’ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana satria mihombo andro aman’alina ny fahantrana ary manenika ny firenena ny tsy fandriampahalemana”. Ireo teboka roa ireo, izay ibaribarian’ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra fanjakana akehitriny, hoy izy ireo.
Nasian’izy ireo tsindrim-peo koa ny fanamparam-pahefana sy ny jadona ataon’ny mpitondra, ka sady efa tsy mahavita azy eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny tokony ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka no mbola mampihombo ny fahasahiranana sy ny fahantran’ny ambanilanitra koa, hoy izy ireo, nefa dia mbola ianjadian’ny jadona sy ny fanamparam-pahefana ary ny ramatahora sy ny fandrahonana ombana herisetra ampanaovina an’ireo herim-pamoretana ny vahoaka. Raha mitohy izao jadona izao dia ho faty ripaka eto isika Malagasy, hoy ny fanampim-panazavan’ny Me Rakotoarison Vincent.
Nomarihin’izy ireo koa fa “tsy mitsaha-mitombo ny velaran-tany lasan’ny vahiny izay mifototra amin’ny tsikombakomba ifanaovan’izy ireny amin’ny mpitondra fanjakana na ny kolikoly ifanaovan’ireny vahiny ireny amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratongany.” Nahalasa fisainana ny fanampim-panazavan’izy ireo ny amin’ny hoe “raha mitohy izao fanomezana vahiny ny tany eto izao dia tsy ireo nosy Malagasy antsoina hoe “Iles éparses” intsony fotsiny no hotakiantsika atsy ho atsy fa ny Nosy lehibe “Madagasikara” mihitsy.”
Tsy misy sehatra mba ahitana tsirim-panantenana ho an’ny vahoaka izao fa tena matroka ny solaitraben’i Madagasikara sy ny ho avin’ny vahoaka malagasy, hoy hatrany ny “Aingaben’ny Tia tanindrazana antoky ny fampan-drosoana”.
Manaitra sy manentana ny vahoaka malagasy izay tompon-draharaha mivantana izy ireo mba hitsangana ka handray ny andraikitra tandrify ny tsirairay fa aina ity hoy Rainimanonja, hoy ny Me Rakotoarisona Vincent sy ny namany, ary vonjy rano vaky no atrehina ka tsy afaka ny hanao tan-tsy vinitra fa mety hamoizana ny ain-dehibe. Fototry ny olana mianjady amin’ny vahoaka teto hatramin’izay ny mpitondra fanjakana, ary vao mainka mibaribary izany amin’izao fotoana, hoy izy ireo, ka tsy maintsy ikarohana hevitra haingana ny hamaizana araka ny fanaovana azy an’ireo mpitondra fanjakana mpivarotra tanindrazana sy mpanararao-pahefana ary mpampahantra vahoaka ireo.
Ralay