Tena manana ny lanjany mihitsy ny fananana ala tapia ka tokony hokarakaraina fa tsy avela ho gaboraraka fotsiny toa ny tsy misy ilaina azy. Raha ny eto Madagasikara dia Amoron’I Mania, Imamo ary Sahanivotry Antsirabe II. Ny ao Amoron’I Mania dia ao amin’ny kaominina Ambohimanjaka no manana ala tapia izay tena misy ny fikarakarana ataon’ny (VOI) na vondron’olona ifotony sy ny kaominina ao an-toerana ka tena vaindohan-draharaha tokoa. Ny tapia mantsy dia foto-karena satria dia azo hanina ny voany

Fiompiana landy maha vokatra, ary koa misintona orana ka iankinan’ny toetr’andron’ilay faritra misy azy sy ny toerana misy ny mponina…

Ny tsy fahaveloman’ny ala tapia voalohany hoy ny ben’ny tanàna ao Sahatsiho Ambohimanjaka dia ny hazo kesika na “pin” koa dia efa naringan-dry zareo ireo ala kesika ary etsy andaniny dia mamboly hazo kininina izy ireo ho solon’ny kesika. Vao ny herinandro lasa teo no namboly izany hoy ihany ny ben’ny tanàna ka ao ny fambolena zanan-kazo tapia. Marihina fa sarotiny dia sarotiny ny (VOI) vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana ny ala tapia ka izy irery no mahazo ny fiotazana tapia sy ny fotoana idirana any anaty ala tapia. Mandray anjara amin’ny ady amin’ny doro tanety ny VOI sy ny kaominina Ambohimanjaka.

Fifamoivoizana: Nampiharina ny fampidirana “violon”

Mihenjana mafy ny polisy nasionaly, zandary, miaramila mitambatra ary ny polisy monisipaly amin’ireo bus mpitatitra olona eto Antsirabe ary izany dia eo ambanin’ny fiadidian’ny Préfet- n’i Vakinankaratra. Efa nampitandrina mafy moa ny kaominina mahakasika ireo mpamily manao fahadisoana miverimberina toa ny tsy fanarahan-dalàna na amin’ny fijanonana sy ny fandraisana olona ivelan’ny arrêt. Betsaka koa ny mampitsangana mpandeha sy manao taingim-be koa dia nampihatra fampidirana “violon” ny mpamily sy ny receveur n’ny polisy. etsy andaniny dia miketriketrika fitokonana ny mpitatitra ho fanoherana izany.

Abel Ratsimbazafy

Minisitra Toto Lydia Raharimalala: Sambany vao voatendry minisitra angaha ?

Omaly no nanatanterahana ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitra teo aloha nisahana ny departemantan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa ary ny famoronana asa, Rabenjamina Ramanantsoa Ramarcel, sy ny mpandimby azy vaovao, Rtoa Raharimalala Toto Lydia.

Ny famindram-pahefana toa ireny moa dia fanao ihany fa ny lahateny ifandimbiasana eo amin’iny fotoana iny no ifamatorana.

Fantatra aloha omaly fa isan’ny minisitera miahy ny tontolo ny asa sy ny lalàna sosialy (travail et loi sociale) ity minisitera sahanin-drtoa Raharimalala Lydia Toto ity satria tsy any amin’ny minisitera iandraiketan’i Maharante Jean de Dieu intsony.

Ny dikan’izay dia any amin’ny minisitra Toto Lydia Raharimalala izany ny adihevitra rehetra no miantefa rehefa resahina ny olana momba ny tontolon’ny asa sy ny fiahiana ara-tsosialy rehetra.

Dia manara-maso ny maro sady ho avy tsy ho ela koa izao ny fetin’ny asa (1 may).

Fa ny isan’ny navoitran-dRaharimalala Lydia Toto omaly dia ny fanandratany ny tarigetra himasoany eo anivon’ity minisitera hotantaniny ity. Nambarany fa hiezaka hanatsara ny kalitaon’ny fampianarana teknika ny tenany, ary tafiditra tao anatin’izany ny fampivelarana ny seha-pampianarana teknika manerana ny nosy, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra amin’io sehatra iray io. Tsy nohadinoiny ny nanipika fa tsy hataony ho latsa-danja ny famolavolana ny tanora hiditra eo amin’ny tontolon’ny asa.

Tena mampody mandry tokoa izany fampanantenana nofaritan’ny minisitra vaovao eo anivon’ity departemanta minisiterialy ity izany.

Toa te hilaza eo imason’ny malagasy izy fa « olom-baovao amin’io sehatra io ka hiezaka hanaporofo fa tena hahavita ». Tokony tsy hohadinoina anefa fa efa minisitra nisahana an’io departemanta minisiterialy nanendren-dRajaonarimampianina io azy Rtoa Raharimalala Toto Lydia tamin’ny tetezamita. Fantatra ny tena nampalaza azy tao, raha tsy hiresaka afa-tsy ny fanomezana tombondahiny ny avy any amin’ny faritra hiaviany isika. Izany ve no taratry ny hoe « hampivelatra ny seha-pampianarana teknika manerana ny Nosy » ?

Ny praiminisitra Solonandrasana aloha omaly dia nanipika ny hoe « avelao aloha hiasa ny mpitondra vao tsaraina ».

Tsy diso izany fa ny ankamaroan’ireo mandrafitra ny governemanta koa dia efa nisahana andraikitra ara-panjakana ambony ka azo notarafina tamin’izany ny ho fomba fitantanany ny minisitera.

Ny fanamby tokony ho nambaran’ny mpikambana rehetra ao amin’ny governemanta izao dia ny hoe « niarahantsika nahita ny tsy fahombiazany hatrizay sy ny fanamparam-pahefana nataonay tamin’ny sehatra izay nosahaninay rehetra teo aloha, saingy hiova izahay manomboka izao ka araho maso fa vonona hiantsoroka ny andraikitray izahay manomboka izao raha hitanareo vahoaka fa mikiliolio. »

Faralahy