Sarotiny dia sarotiny aoka izany ny tahirim-bola iraisampirenena (Fmi) amin’ny tokony hitantanana ara-pahamarinana ny volam-panjakana (bonne gouvernance) ary takiany mihitsy aza ny fitsitsiana (fifehezan-kibo) sy ny fandrarana ny fandaniam-bolam-panjakana tsy mamokatra. Isan’ny voatondron’ny Fmi ho fandaniam-bolam-panjakana tsy mamokatra moa ny fanampian’ny fanjakana ny sehatra iankinan’ny aim-bahoaka, toa ny fanampiana ny Jirama mba tsy hidangana ny saran-jiro aman-drano amin’ny faktiora. Eo koa ny fisakanana ny mety ho fiakatry ny vidin-tsolika, ny tsy tokony hisondrotan’ny saran-dalana ka hanampiana ny mpitatitra amin’ny elanelam-bidin’ny solika amin’ny tontolon’io fandraharahana iray io.
Ny lafin-javatra sasany moa dia efa noteren’ny mpamatsy vola iraisampirenena ny fanampian’ny fanjakana azy, toa ny fambolena lavanila sy ny hafa.
Ny mahagaga izany dia rehefa mandray andraikitra ho amin’ny fanalefahana ny fidangan’ny vidim-piainana any amin’ny vahoaka malagasy ny fanjakana dia mijoro mampitandrina sy mandrara ary tena mampihorohoro mihitsy ny tarihim-bola iraisampirenena fa rehefa ny mpitondra fanjakana no manao tantely afa-drakotra ny volam-panjakana ho amin’ny filany manokana sy ny fanodinkodinany, dia tsy mba re miteny mihitsy ny mpamatsy vola.
Raha halalinina aza ny fandehan’ny raharaha dia tsy azo ambara ho fandaniam-bola fa fampihodinana ny volam-panjakana ho amin’ny fampivelarana ny asa famokarana eto an-toerana ny famoaham-bola ka anampiana ireny sehatra mitsinjo vahoaka ireny fa ny fanodinkodinam-bola amin’ny alalan’ny vola vahiny na devizy mankany ivelany no tena fandaniam-bola, nefa dia tsy hita taratra mampiseho ny maha-sarotiny azy mihitsy amin’izany ny tahirim-bola iraisampirenena.
Ohatra iray tsy azo hamaivanina izao ny fahafantarana fa nandritra ny taona 2015 dia nahatratra 10 tapitrisa Euros ny volam-panjakana nalefan’ny fitondram-panjakana Rajaonarimampianina any amin’ireo masoivohom-panjakana malagasy any ampita, nefa tsy nanaja ary tsy nampanarahana ny fepetra takian’ny tontolon’ny fitantanam-bolam-panjakana teto.
Araka ny loharanom-baovao dia nahatratra 24 karazana ny isan’ny famindram-bola (transferts) nataon’ny fitondram-panjakana Hvm teo anelanelan’ny volana martsa 2015 ka hatramin’ny volana desambra 2015 nankany amin’ireo masoivoho sy solontenam-panjakana malagasy any ampita. Ny fitambaran’ny vola nafindra na naondrana dia 10 tapitrisa euros. Raha tamin’ny vola malagasy niainga teto no jerena dia any amin’ny 34 000 tapitrisa ariary any na 175 000 tapitrisa ia. Ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fisafoana ankapobeny (Inspection générale de l’Etat) no nahafantarana izany antontan’isa izany. Ny antokon-draharaham-panjakana misahana ny fandaharan’asa sy ny fifehezana ny volam-panjakana (direction de la programmation et du cadrage budgétaire = DPCB° ) no nampahafantatra izany, izay nanamarihany ny famindram-bola nankany Frantsa na firenena hafa.
Raha ny fantatra dia voafatotra andraikitra amin’izao famindram-bola tsy toko tsy forohana mankany ampita izao ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sy ny minisiteran’ny Vola ary ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Ny antokon-draharaham-panjakana misahana ny fisafoana (Inspection générale de l’Etat) dia manipika fa amin’ny endriny ivelany dia toa ara-dalàna ny fandehan’ny famindram-bola tamin’ireo tranga ireo fa rehefa halalinina sy nohadihadiana dia hita fototra fa ivelan’ny voafaritry ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ary tsy manaraka ny didy momba ny fitantanam-bola izy ireo (dépenses extra-budgétaires, non-réglementaires).
Ny famindrana ireo volabe ireo, hoy ny manam-pahefana nanao ny fisafoan-draharaha dia hita taratra sy voaporofo tokoa fa nivantana any amin’ireo masoivohom-panjakana malagasy any ivelany saingy ny nampiasana azy ireo avy eo no tsy hita voaka. Karazan’ny nanjavona izany ilay volabe, satria tsy nisy fanaraha-maso azo natao ary tsy nisy afaka nanara-maso ny fampiasana azy ireo koa.
Etsy an-kilany, dia sanatria ho tompon-trano mihono ve ny vahoaka malagasy raha mandre fa misy amin’ireo manam-pahefana ara-panjakana ambony ireo na ny vadin-dry zalahy, efa nahavidy trano valo zoro na « villa » any ampita any ?
Dia mbola hisy hanamarina indray ve amin’izany fa tsy halatra bevava sy fanodinkodinam-bolam-panjakana mivandravandra izany ?
Fitondrana Hvm: Volam-panjakana 44 miliara ariary hanitarana ny ambaindain’ny antoko
Natolotry ny fitondram-panjakana alema tamin’ny alalan’ny tetik’asa « Giz »ny minisiteran’ny Atitany omaly ny vola mitentina 12, 5 tapitrisa Euros ho fanabeazamboho ny fametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana tena izy (décentralisation effective) ary tafiditra ao anatin’izany koa ny ady atao amin’ny fahantrana. Raha io tarehimarika io aloha no avadika ho vola malagasy dia any amin’ny 44 000 tapitrisa ariary na 44 miliara ariary any.
Tarigetra goavana no nofaritan’ny fanampiana avy amin’ny fitondrana alema satria mifamatotra ny ady amin’ny fahantrana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Fantatra mantsy fa isan’ny sakana tsy nahafahan’ny faritra isanisany mivelatra sy miarin-doha ny tsy fanomezana fahefana ny rafitra isan’ambaratonga amin’ireny vondrom-bahoaka isan-tsokajiny ireny. Miteraka tsy fivoaran’ny fiarahamonina izany ary azo ambara mihitsy ho isan’ny miteraka ny fahantrana.
Ny zavatra hita anefa aloha, indrindra fa rehefa nomena laka ny hevitra hoe « fitsinjaram-pahefana tena izy » dia misy ny mitady irika amin’izany mba hahazoana tombontsoa manokana ho azy izay mitana ny fahefam-panjakana. Isan’izany ange, ohatra, ny nahatonga ny sokajin’olona sasany teto tamin’ny 1991-92 ho nitaky ny hametrahana rafitra federaly satria tsinjon-dry zalahy fa ho very fihinanana izy e! Mbola niverina izay tranga izay tamin’ny 2001. Tsy tokony hohadinoina anefa fa matetika dia ireo olona mitaky rafitra federaly ireo no nitana sy nangeja ny fahefam-panjakana teto nandritra ny fotoana naharitra, ary niady fo mafy ny hangejan-dry zareo ny fahefam-panjakana.
Endrika hafa kosa indray ny ezahin’ny fitondrana tay aoriana natao mba hambaboana amim-pitaka ny olon-tsotra amin’io resaka fitsinjaram-pahefana io. Endrika hafa hamitahana ny vahoaka. Politikan’ny seho ivelany.
Mody toavin-dry zareo ny foto-kevitry ny fitsinjaram-pahefana tena izy fa ny zavatra ataony ao anatin’izany dia ny fangejana ny olomboafidy tokony hisahana ny asan’ny tomponandraikitra itsinjaram-pahefana amin’ireny vondrom-bahoaka isan-tsehatra ireny. Isan’ireny ny tetika rehetra hahazoan’ny antokom-panjakana ny maro an’isa amin’ireo olona ambara fa « olomboafidy » hisahana ny raharaha eny anivon’ireny rafitra itsinjaram-pahefana. Dia atao ny hosoka amin’ny fifidianana, ny hala-bato, ny fampihorohoroana ny mpifidy sy fandrahonana azy raha tsy mifidy ny kandidan’ny mpitondra, ny fanangolena vola isan-karazany. Tsy hoe eritreritra na ahiahy izany fa efa voaporofo ny nataon’ny Arema fahiny, ny nafitsoky ny Tim tamin’ny fotoanandro, ary vao noporofoin’ny Hvm tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna tamin’ny volana jolay sy ny fifidianana loholona tamin’ny volana desambra teo izany.
Etsy ankilany, ny fanamafisana orina ny antokom-panjakana koa dia tsy ho tratra raha tsy eo ny volam-panjakana ianteherana amin’izany. Nampiasa ny volam-panjakana ho fanamafisana orina ny antokony avokoa ny mpitondra nifandimby teto, ary porofoin’ny Hvm amin’izao fotoana izany. Ka izao vola avy amin’ny fitondram-panjakana alema amin’ny alalan’ny tetik’asa « Giz » izao dia mahafaly sy maharavo ny fitondrana HVm tokoa satria tsy nisy nanampy aza, nikaroka hevitra handoharana ny tao ambilanim-panjakana, ka mainka fa misy manampy, izay tetik’asa (projet) io, izay azo araraotina hahodina hanitarana ny ambaindain’ny antokon’ny mpitondra tokoa , ankoatra ny nailika ho any amin’ny kitapom-bola samirerin’ny mpitondra.