Raha ny fahatsiarovana dia mbola tsy nisy ny tahaka ity indray mitoraka ity. Ny tiana holazaina dia ny momba ity governemanta vaovao, izay fahatelo tato anatin’ny Repoblika fahefatra ity.

Hatrany amin’ny nanesorana ny praiminisitra mantsy dia efa niraradraraka ny tsikera nataon’ny rehetra, na io mpanao pôlitika, na fiarahamonim-pirenena, eny na ny olon-tsotra koa aza. Mbola vao tany amin’ny fanolorana ny anaran’ny hisafidianana ny ho praiminisitra koa dia efa teraka ny fimenomenomana teo amin’ny samy depiote, satria dia amboletra, hono, no nanaovana izany fa tsy teny nierana tamin’ny rehetra ary nisy resaka halatra ny sonian’ireo tsy teto an-toerana koa aza moa tamin’izany.

Voatendry ny ho praiminisitra vaovao dia ireny niaraha-nahita sy nandre ireny ny fanehoana tsy fankasitrahana azy nanerana ireo hainoaman-jery tsy miankina rehetra. Tsy nanisy dikany an’izany anefa ny tao ambony tao fa dia niroso tamin’ny fanendrena ireo ministra “vaovao” handrafitra ny governemanta Solonandrasana Olivier Mahafaly.

Rehefa voatendry ireo minisitra ho ao amin’io governemanta fahatelon’ny Repoblika fahefatra io dia niraraka ompana ny fanakianana sy, indrindra, ny famoahan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ny raharaha maloton’ireo mpikambana ao anatiny, nanomboka tany amin’ny praiminisitra ka hatrany amin’ireo minisitra tsirairay. Ao ny voatsikera fa efa “tsy nahavita azy” tany amin’ny departemanta notantaniny kanefa dia nakisaka ho any amin’ny minisitera hafa indray; ao ny nanana sy mbola manana raharaha maloto amin’ny tsikombakomba amin’ny tsenan’asa avy amin’ny fanjakana, na ny “marchés publics”; ao ireo tsy nahavaha ny olan’ny mpiasan’ny minisitera notantaniny; ao ireo namoahana ny antontan-taratasy manaporofo ny fanodinkodinana ny volam-panjakana, sy ny sisa… ary ankehitriny izao aza dia ampahatsiahivin’ny mpampahalala vaovao indray ny raharahana kolikoly avo lenta naha voafatotra ny minisitra “vaovao” vao sambany mba niditra tamina governemanta sy ny hoe nisy nandoa vola hatramin’ny 1,4 miliara, hono, ireo minisitra ireo mba ho “nividianana” ny toerany.

Izany rehetra izany dia nampametra-panontaniana ny maro ny amin’ny hoe mba nanaovana fanadihadiana ve ny momba ireo olona ireo talohan’ny nanendrena azy ho minisitra ê ?... Inona no mason-tsivana nentina nisafidianana azy ireo ?... Sa ve, sanatria, izay mahay afera no noraisina?... Asa?

Eritreritra mandeha daholo izany rehetra izany fa ny tena mahavariana dia ny fahanginan’ireo rehetra voatonontonona anarana ireo, izany hoe izy rehetra mihitsy ê. Efa kororohin’ny rehetra isan’andro vaky izao dia… mangina, tsy miloa-bava. Fa maninona àry ê ?...

Hahagaga àry ve ny resaka ataon’ny maro manao hoe “manaiky matoa tsy mandà” ê? Tsy afaka ny hamaly ireo manana raharaha maloto ireo, izany hoe izy rehetra, hoy ny mpanaraka ny raharaham-pirenena, satria arakaraka ny hamaliany sy handavany ny raharaha dia vao mainka hapoitran’ny “mahalala” ny dosie rehetra momba azy ireo. Koa “hamono tena” kosa àry ve izy ireo ka hitady raharaha toa an-dRainizafilemena, araka ny fitenenana ?...

Mbola tsy nisy ny tahaka ity. Mbola tsy nisy teto amintsika, eny na tany amin’ny firenen-kafa koa angamba, izany hoe governemanta mbola tsy niasa, mbola tsy nahavita ny fifamindram-pahefana akory aza, dia efa voakiana sy amoahan’ny mpialza vaovao ny dosie maloto rehetra… kanefa dia mba manome fanazavana ho fiarovan-tena akory.

Alefaso izay tsikera sy fanakianana, ary filazana raharaha maloto rehetra fa… tsy misy valiny ê. Dia izay !

Lalou