Mandeha ihany ny fotoana ka miova koa ny mpitondra eto amintsika eto, saingy rehefa nodinihina dia ny fomba sy ny fanaon’ny teo aloha ihany no averin’ny nandimby azy ireo.

Vao tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no noresahina teto ny hoe miverina ny tantara fa ny zavatra niainana tany amin’ny faha mpitondra tany aloha ihany no izao hita ankehitriny izao. Nanomboka tamin’ny fitakiana niha maro sy niha henjana tahaka izao tokoa mantsy ny fihetsiketsehana izay nitarika ny fionganan’ny mpitondra tany aloha, saingy mahagaga fa toa tsy mba nandray lesona tamin’izy ireny ny aty aoriana.

Raha hotsiahivina tokoa mantsy ny zava-nisy tamin’ireny fotoana ireny dia azo aravona amin’ny hoe ny fitakiana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny nahazo ny fahefana talohan’ny naha teo amin’ny fitondrana azy ireo no niantombohany. Tadidin’ny rehetra hatramin’izao ny hoe hanorina trano miisa 35 000 isan-taona, na ilay “35 000 logements”, kanefa dia nanjary nonina tany ambanin’ny tonelina no niafaran’ny efa mba nanana ny fonenany; mbola tsaroana ihany koa, ohatra, ny hoe “hahazo 4L kely ny isan-tokantrano” kanefa na bisikileta aza tsy takatry ny fahefa-mividin’ny sarambaben’ny mponina taty aoriana. Tsy dia zava-tsarotra, fa ny fanatanterahana ny teny natao no notakian’ny olona tamin’izany. Tsy nahitana valiny nahafa-po anefa ireny rehetra ireny ka dia niitatra ny “hetsika”, ary tonga hatrany amin’ny fidinana an-dalambe… ary dia ireny niaraha-nahita sy niaina ireny no niafarany.

Tsy niova tamin’ny valin-teny re tamin’ireny fotoana ireny ny an’ny mpitondra amin’izao fotoana izao fa ny teo aloha tsy tanteraka kanefa mitombo ihany ny fampanantenana poaka aty. Toy ny tany aloha ihany dia re eny koa ny teny an’avona, laroina amin’ny hoe “misy ambadika pôlitika…”, rehefa tsy hita intsony ny valiny hasetry ny fitakiana. Nahoana anefa no tsy hisy “pôlitika” rehefa mahatsapa ny rehetra fa manao bemarenina ny mpitondra eo amin’ny toerana ê? Tsy nitady an’izany “ambadika” izany koa ve ireo eo amin’ny toerana ireo fony izy ireo nikatsaka ny fahefana ê ?...

Toy ny tany aloha tany koa dia fanao miverina amin’izao fotoana izao ny “fanampenam-bava” ireo mpitarika ny fitakiana amin’ny alalan’ny fanambazana azy ireo. Tsy tahaka izany ve ireny raharaha “malety” mpiseho eny Tsimbazaza rehefa misy ny mitady hampiaka-peo ireny ?...

Mihoatra noho ireo rehetra ireo aza dia mahatsapa koa ny maro fa haingana dia haingana ny fampiasana ny “mpitandro ny filaminana” tamin’ity fitondrana ity mba “hifehezana” ireo mitady haneho hevitra, na ireo hiantso vahoaka hiresaka aminy fotsiny aza. Iza tamin’ny sokajina Malagasy amin’izao no tsy tratran’izany, na mpianatry ny oniversite, na mpanao pôlitika, eny fa na dia ny olona hanatitra voninkazo mba hahatsiaro sy hanome voninahitra ny mpitolona tia tanindrazana tany aloha aza ê ?...

Tonga dia fanapempoana no mahazo izay manana fitakiana fa raha ny vahaolana dia aotra ê !

Izany rehetra izany àry no mahatonga ny mpanaraka ny raharaham-pirenena hilaza ny hoe tsy nisy fiovana tamin’ny fanaon’ny tany aloha ny ataon’ny mpitondra antsika amin’izao ankehitriny izao. Raha ny marina aza dia vao mainka niha henjana ny “famonoana afo” misy.

Tsy nisy fiovana… fa ho hatramin’ny rahoviana àry ê ?

Lalou