Hitsingerina rahampitso zoma ny faha-44 Taonan’ny Raharaha 13 May 1972. Tranga iray tsy azo kosehina eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy io vaninandro io satria raha ampitahaina amin’ireo tranga nisy teto dia azo ambara fa voalohany nisehoan’ny fandresen’ny vahoaka izy io. Tsy lavina fa nisy ny namoy ny ainy vokatry ny herisetran’ny mpitondra fanjakana tamin’izany, saingy nanaporofo hatrany iny hetsi-bahoaka tamin’ny faha-13 May 1972 iny fa « tsy misy vahoaka resy eo amin’ny taniny izany ».

Fanaon’ireo nandray anjara tamin’iny tolona 72 iny ny manatitra fehezam-boninkazo eo amin’ny Kianjan’ny 13 May rehefa tonga ny vaninandro fahatsiarovana toa izao rahampitso izao. Fanaterana fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana no natao isan-taona nefa dia raran’ny fitondrana Hvm amin’ny alalan’ny baiko nomeny ny Prefen’ny polisin’Antananarivo izany.

Misarika ny fisainan’ny fitondrana Hvm izahay. Izao olam-piainana andavanandro ampiziogainareo ny vahoaka malagasy izao ve dia mbola tondrahanareo solika hatrany mba hirehitra? Aoka re! Aza mihantsy vahoaka fa isain’ny ambanilanitra ho iray amin’ny jadona ataonareo eto amin’ny tany sy ny fanjakana ange izao fandrarana olona tsy ho afaka mametraka fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ny martioran’ny firenena izao e ! Mba ezaho ihany re ny mandanjalanja ny fanapahan-kevitra raisina sy ny fepetra ampiharina fa handrora mitsilany ange ianao e !

Raha izao no mitohy dia horaran’ny fitondrana Hvm koa ny fahafahana manatitra fehezam-boninkazo eny amin’ny fasan-drazan’ny isam-pianakaviana rehefa tonga ny vaninandron’ny 1 novambra.

Tsy fiantohana filaminana sy fitoniana mihitsy no kendren’ny fitondram-panjakana fa fambolena savorovoro mba hanararaotana hanamparana fahefana sy hamoretana ny ambanilanitra. Diso fihevitra anefa ry zareo fa ny vahoaka dia hikatsaka mandrakariva ny filaminana ary hikaroka izany amin’ny fomba rehetra satria efa mafy aminy ny fanakorontanam-piainana isan’andro ataon’ny mpitondra fanjakana aminy. Tsy ho fotoana fanaterana fehezam-boninkazo koa anefa no hanehoan’ny vahoaka ny tsy fankasitrahany ny fampijalian’ny mpitondra fanjakana azy satria napetraky ny vahoaka ho sasanangy samy hafa mihitsy hatramin’izay ny resaka fiatrehana ny tsy mety ataon’ny mpitondra sy ny fahatsiarovana ny martiorany izay nalavon’ny saribakolin’ny mpanjanatany mbamin’ny mpitondra jadona nifandimby teto.

Raha misy manam-pahaizana mba afaka mandalina ny toetsain’ny malagasy ao anatin’ny fitondrana Hvm ao, ary raha fetsy ny Prefen’ny polisin’Antanana-

rivo dia tsy maintsy hahatsapa fa diso fihevitra izy ireo raha manahy ny hanehoan’ny vahoaka ny tsy fankasitrahany ny fihetsiky ny mpitondra no hataony amin’ny vanim-potoana ahatsiarovany ny martioran’ny fireneny.

Vatomandry: Mampiasa habibiana ny miaramila ao amin’ny kaompania 307

Sefom-pokontany fito avy ao amin’ny kaominina ambanivohitra Iamborona ao amin’ny distrikan’i Vatomandry no miaraka manao fitarainana tany amin’ny ben’ny tanàna sy ny depiote izay voafidy tao amin’ity toerana ity noho ny fanararaotam-pahefana sy ny fihetsika feno habibiana ataon’ny miaramila ao amin’ny kaompania 307 ao Ambolofolo. Nanomboka ny taona 2014 dia maro ny herisetra, sy ny fandrobana ary ny fanolanana vehivavy izay ataon’ny miaramila sasantsasany ao amin’ity toby ity. Ny farany teo dia ny vadin’ny sefom-pokontany mihitsy no naolan’ireo miaramila ireo rehefa avy nandroba tranom-barotra iray izy ireo. Izany miaramila antsoina hoe Daniel sy Jean Marie izany no voalaza fa nanolana ity vadin’ny sefom-pokontany ity. Ny faha 7 aprily 2016 teo dia tonga tao amin’ny tanànan’Ambohimiarina ireto miaramila ireto ary nitady ny tranon’ny sefom-pokontany. Nampitarika ny mpiambina tanàna antsoina hoe Ratody izy ireo, ary avy hatrany dia nandrava ny magazay. Nitondra izay entana tiany tao ary nitaky vola roa hetsy ariary koa. Rehefa tsy nanome io vola io ilay ramatoa dia nofatoran’ireo miaramila ireo ka nentiny nandeha nanaraka azy. Mbola nasain’ireto miaramila ireto namaky trano koa ity ramatoa ity rehefa avy nofatorany niaraka amin’ity lehilahy mpiambina tanàna ity. Raha tsy nety nanao izany ity ramatoa ity sy ilay mpiabina tanàna atao hoe Ratody dia nampijaliany sy nampiasany herisetra indray. Rehefa vita izany dia namaky mangazay indray ireto miaramila roa ireto. Nentiny tany amin’ny tobin’ny miaramila tao Ambonofolo ireto olona roa ireto ka rehefa tonga tany amin’ny atsasa-dàlana dia novahainy ny tady teny amin’i Ratody fa ilay vadin’ny sefom-pokontany kosa dia nentiny tao anaty ala ka naolany tao. Marihina fa sady nofatorany no nanaovany herisetra ara-nofo ity ramatoa ity. Nandeha tany amin’ny dokotera ity ramatoa ity ary nahazo ny taratasy milaza ny tsy fahafahana miasa nandritra ny 25 andro noho ny aretina sy ny herisetra nahazo azy. Nitory tany amin’ny fitsarana ao Vatomandry noho izany ry zareo, nefa tsy nisy vokany aloha izany hatramin’izao, hoy ihany ny loharanom-baovao. Santionany amin’ny habibiana ataon’ny miaramila ao amin’ny kaompania faha 307 ao Vatomandry izao fitaraina’ny sefom-pokontany miisa fito avy ao amin’ny kaominina Iamborano izao. Tamin’ny faha 17 febroary 2016 dia nampiharan’ireto miaramila ireto herisetra koa ny olona iray antsoina hoe Rabotobitika izay monina ao Ampasimbola ka rehefa avy nampiharina herisetra sy nodarohana dia nampandoavina vola 750 000 ariary. Mbola norahonan’ireo miaramila ireo koa ny rain’ity zalahy ity. Ny volana oktobra 2015 indray dia mbola miaramila sy olona tsotra indray no namono sy nampiasa herisetra tamin’ingahy Talata Botoroy Bruno tao Fasindrateny, fokontany Tetezambolo kaominina Iamborano, ao Vatomandry. Mbola notakiana vola ihany koa ity olona ity rehefa avy nampijaliana toa izany.

Voalazan’ny loharanom-baovao fa mbola manao fanamparam-pahefana tanteraka ny kaompania faha 307 ao Vatomandry ity hatramin’izao. Ny tena mahagaga dia tsy misy akory ny fanadihadiana natao tamin’ny olona izay samborin’izy ireo. Daroka sy herisetra ary halatra sy fanolanana vehivavy no tena mampahalaza ity kaompania ity. Asa na mbola misy lehibeny mifehy ity toby miaramila ity na tsy misy intsony, hoy ihany ny fitaraina, fa asa fampihorohoroana vahoaka no tena ataony. Tsy azo lazaina ho miaro ny olona sy ny fananany intsony ny miaramila ao amin’ity kaompania faha 307 ao Vatomandry ity, hoy ny mahita ny fihetsiny rehetra. Mbola misy maro ny fitaraina azo mahakasika ny fomba ratsy ataon’ity kaompania ity fa dia ajanontsika eo aloha ny filazana ny zavatra misy.

JB