Omaly alarobia faha 11 may 2016 no tapitra ny dian’ingahy Ban Ki-moon sekretera jeneralin’ny firenena mikambana teto Madagasikara. Tao anatin’ny roa andro no naharetan’ny diany teto. Fihaonana tamin’ny filoham-pirenena sy tamin’ny parlemantera roa dia ny senatera sy ny depiote izy. Ny vadiny dia nitsidika ny tao amin’ny hopitaly tao Befelatanana sy ny toerana fanofanana hoan’ny vehivavy tao Tsimbazaza.
Fanontaniana amin’ny maro ny tena dian’ity sekretera jeneralin’ny firenena mikambana ity teto Madagasikara hatramin’izao. Tsy voafaritra mazava tsara ny tena foto-diany fa dia napetraka ho tsy ambaratelon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy Ingahy Ban Ki-moon ihany izany. Fanontaniana maro no napetrakin’ny vahoaka tao alohan’ny fahatongavany satria tsy mazava ny raharaha. Indrisy anefa fa na dia efa avy nitsidika ireo toerana sy olona voalaza ery aloha ireo ity tompon’andraikitra maneran-tany amin’ny firenena mikambana ity, dia mbola tsy nisy zavatra tena nisongadina tamin’ny kabariny sy ny tena anton-diany. Ny azo raisina tamin’ny teny nataony dia ny ho fanampiana an’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fahantrana. Izany anefa efa asa ataon’ny firenena mikambana ity eto Madagasikara hatramin’izay. Ny vola fanampiana ve no hasondrotrany sa ny teo aloha ihany noho hamafisiny ? Tsy nisy mazava ny amin’izany fa dia araka ny voalazany teo aloha hatrany fa hanampy an’i Madagasikara ny firenena mikambana. Maro ny sehatr’asa efa misy amin’io fahantrana io no misy eto amin’ny firenena iarahana amin’izy ireo. Ankoatran’izay dia tsy nisy ny zava-baovao izay nolazain’ity sekretera jeneraly ny firenena mikambana ity. Toa kabary ambony vavahady fotsiny ihany no fijery azy. Vita izay ny fitsidihana iny na dia tsy nahitana zavatsoa hoan’i Madagasikara aza izany. Ambony dia ambony ny voninahitra azon’ny fitondram-panjakana tamin’iny fitsidihana iny araka ny nilainy azy satria nanambahiny lehibe eo anatrehan’izao tontolo izao.
Na dia nanana faniriana hihaona tamin’ingahy Ban Ki-moon ny mpanohitra ny fanjakana teto Madagasikara dia tsy tanteraka izany. Olona vitsivitsy no naneho hevitra sy nilahatra teo anoloan’ny antenimierandoholona teo Anosikely omaly maraina tamin’ny 10 ora, izay nampiseho ny heviny mba ho hitan’ity filoha faratampony amin’ny firenena mikambana ity. Mahakasika ny fahantrana sy ny kolikoly ary ny olana ara-tsosialy iainanan’ny Malagasy amin’izao fotoana izao no anton’izany. Omaly faha 11 may 2016 ihany dia nandao an’i Madagasikara ity sekretera jeneralin’ny firenena mikambana ity sy ramatoa vadiny ary ny mpiaradia aminy. Tsy mazava ny tena diany teto Madagasikara aloha hatramin’izao.
Jesy Rabelaolao