Tao anatin’ny herinandro maromaro izay no nankalazana ny herinandron’i Erôpa eto Madagasikara. Omaly alarobia faha 11 may 2016 dia ny maha olona sy ny tambazotram-pifandraisana ara-tsosialy, ny vokatsoa azo amin’izany, ny fetrany ary ny tsinjolavitra vokatr’izany no niarahana nidinika. Ny fampiasana ny “facebook” sy ny voka-dratsiny no nitaritana ny ady hevitra tamin’izany tetsy amin’ny tranobe ny Rasavolana tetsy Antsahavola. Ny tanora no tena tsy mahavoafehy ny Facebook ka mila fanabeazana mafy. Ny tetik’asa “Incipals” sy ny vondrona erôpeanina no mikarakara ity hetsika ity. Mpiady hevitra maro no nasaina nitondra ny fijeriny tamin’izany. Voaresaka hatrany amin’ny “Cyber criminalité” ny raharaha. Isan’ny miteraka olana ara-tsosialy ny fanaovana “Facebook” hoy ny mpisehatra sy ny mpiady hevitra raha toa ka tsy voafehy. Na tiana na tsy tiana anefa dia efa tafiditra ao anatin’ny fiainan’ny Malagasy ity facebook ity. Tokony hisy ny fanabeazana amin’izany satria ratsy ny vokany raha toa ka tsy mazava tsara ny lalan-kizorana. Mpanao gazety, mpanao politika, mpandraharaha, olon-tsotra ary mpiasam-panjakana no nandray anjara tamin’ity ady hevitra ity. Mbola hitohy moa ny ady hevitra hataon’ny tetik’asa “Incipals” ity amin’izao fankalazana atao amin’ny herinandron’i Erôpa izao.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao