Tonga eto Antananarivo nanomboka omaly ny mpiasa vitsivitsy avy ao amin’ny kaominina ambonivohitra ao Antsohihy. Nanampy azy ireo koa ny mpikambana ao amin’ny filankevitry ny kaominina. Araka ny ny efa nambara teto amin’ity gazety ity, andro vitsivitsy izay, dia mitokona ny mpiasan’ny kaominina ao Antsohihy noho ny ataon’ny ben’ny tanàna. Efa ho iray volana mahery izany fitokonana izany. Tonga hitaraina amin’ny filohan’ny Repoblika aty Antananarivo izy ireo raha ny filazana nataon’izy ireo omaly tetsy Tsimbazaza. Fanodinkodinana volam-bahoaka, fanamparam-pahefana, fanaovana kiantranoan-trano amin’ny fampidirana mpiasa ary fivarotana fananan’ny kaominina. Ireo rehetra ireo no azo amintinana ny anton’ny fitokonana ataon’izy ireo araka ny taratasy nalefan’izy ireo an’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana tamin’ny faha 23 may 2016. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny tsy fandraisan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana andraikitra. Sady avy any amin’ny tanàna nihaviany, no any amin’ny toerana andehanany matetika izy ity. Dia azo heverina ve fa afaka hitondra firenena ny praiminisitra raha toa ka ny any amin’ny tanindrazana nihaviany aza tsy voavahany ny olana ao amin’ny kaominina ? Mahamenatra raha toa ka izao no mahazo ny vahoaka any Antsohihy. Taratr’izany ny olana any amin’ny oniversite any Mahajanga ankehitriny izay mifamono ny mpianatra avy any amin’ity toerana ity. Tsy mahagaga koa raha toa ka mikorontana ny eto Antananarivo. Dia ho hitantsika amin’izany ilay governemanta natao hiady voalazany.
Nangonin’i Jesy Rabelaolao