Eo anatrehan’ny filazana mandeha etsy sy eroa manambara fa lasa HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) hono Jesy Rabelaolao, dia aoka hazava ho an’izay mivoy izany fa karatra iray ihany no nanako hatramin’ny taona 1976 dia ny an’ny antoko Arema, ka tsy manana eritreritra velively hiala amin’izany antoko izany ny tenako. Amin’ny asa fanaovana gazety indray dia tsy mieritreritra velively hiala tato amin’i La Gazette de la grande Ile ny tenako, ary tsy hiala tao koa raha tsy ny tompon’ny gazety no manala ahy. Karatra telo ihany no ananako dia ny karatra mpanao gazety ato amin’ny La gazette sy ny karatry ny Arema ary ny kara-panondrom-pirenena. Ampy ahy izay fa tsy dia haiko loatra ny mamadika palitao tahaka ny sasany, ka misaotra tompoko !
Jesy Rabelaolao