Association des Journalistes des radios privées

Teo anoloan’ny herisetra nihatra tamin’ny namana Mpanao gazetin’ny Radio Antsiva, Michel Ralibera, androany alarobia 25 may 2016 teny Andohan’i Mandroseza, nandritra ny fitaterany mivantana tamin’ny alalan’ny finday ka nampitana ny vaovao niseho teny an-toerana nankeny amin’ny fanapariaham-peon’ny radio Antsiva, dia nivory haingana ny Biraon’ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety avy amin’ny Onjam-peo tsy miankina eto Madagasikara na ny « Ajrp » (Association des Journalistes des Radios Privées) ka mamoaka izao fanambarana izao :

Melohinay  ny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana izay nampiasa herisetra tamin’ny namana mpanao gazety Michel Ralibera teo am-panatanterahany ny asany, ka nisintonana tamin-kery teny an-tanany ny fitaovam-pifandraisan-davitra teny aminy, izay nampitany mivantana tamin’io fotoana io ny vaovao nitranga teny an-tokantranon’ny Loholona Lylison teny Andohan’i Mandroseza, nandritra ny fotoana nanaovan’ny mpitandro ny filaminana  fisavana an’io tokantrano io.

Midika mivantana ireny fihetsiky ny mpitandro ny filaminana ireny fa tsy fantatr’izy ireo akory angamba izany antsoina hoe fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany ka mahatonga an-dry zareo hanaotao foana. Tompon’andraikitra mivantana amin’izany ny fitondram-panjakana satria ny fanatanterahana ny iraka avy amin’ny fanjakana no nahatonga azy ireny teny.

Endrika mibaribary isehoan’ny fanohintohinana sy fanelingelenana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ireny, indrindra fa eo amperin’asa ny mpanao gazety no ampiasana herisetra toa ireny.

Takianay ny hanehoan’ny Fitondram-panjakana mivantana, amin’ny alalan’ny minisitry ny Fitsarana, fialan-tsiny ampahibemaso amin’ny fianakaviamben’ny mpanao gazety malagasy noho ireny herisetra nampiharina tamin’ny namana mpanao gazety ireny.

Natao androany faha-25 may 2016

Amin’ny anaran’ny Ajrp

Ny filohany

Soava ANDRIAMAROTAFIKA