Tsy trangan-javatra vaovao eto amin’ny tany sy ny fanjakana izao fanaovana hazalambo ny Loholona Lylison de René izao fa fanaon’ny mpitondra jadona manahy ny fahafaham-barakany sy ny ho fandaozany ny fahefam-panjakana ilibany sy itavanany.

Ny fanahian’ny mpanjanatany ny ho very remby teto Madagasikara noho ny tarigetra nijoroan-dRatsimandrava sy noho ny fialonan’ny manamboninahitra sasany tao anatin’ny tafika azy no namonoan’ny fahavalom-pirenena an’iny filohampanjkakana tamin’ny 1975 teto iny.

Fa mbola noho ny fahatahoran’ny mpitondra tany amin’ny fiandohan’ny Repoblika faharoa ny hivoahan’ny marina momba ny raharaha Ratsimandrava koa no namonoan’ny sasany ny Praiminisitra Joel Rakotomalala teny ambony fiaramanidina tamin’ny 1976. Ny Peaiminisitra Joel Rakotomalala mantsy no nitana ny antontan-taratasy momba ny raharaha RaTsimandrava, ary rehefa maty izy dia ninian’ny sasany nodorana ny lapan’ny Paaiminisitra tao Andafiavaratra. DIa nanjavona niaraka tamin’izay ny Raharaha Ratsimandrava. Ny zokibe Belanto sisa no antenain’ny maro hamoaka ny antontan-taratasy any aminy momba iny raharaha iny.

Fa mbola noho ny fiarovam-boninahitra sy tombontsoa manokana koa no nahatonga ny sasany ho nanaisotra ny ain’ny Minisitra Nadine Ramaroson. Ny Minisitra Nadine Ramaroson mantsy no nitana an’ireo antontan-taratasy maloto nahavoasaringotra tompon’anadraikitra ara-panjakana teto momba ny fanondrana an-tsokosoko andramena sy noho ny resaka fivarotana tany amin’ny vahiny, ary tao anatin’ny fiomanan’ny minisitra Nadine Ramaroson hanao ampamoaka momba ireo raharaha maloto ireo indrindra no namonoan’ny sasany azy tany Soanierana Ivongo. Nihazakazahan’ireo namono azy nalaina tao anatin’ny kitapony ireo antontan-taratasy ireo satria tsy nisaraka tamin’i Nadine Ramaroson.

Izany toe-tsaina izany koa no mbola tetehin’ny fitondrana jadona mpanararao-pahefana hotohizana amin’izao raharaha Lylison de René izao. Tsy tokony hohadinoina mantsy fa manaa ny antontan-taratasy momba ny fivarotan-tanindrazana ataon’ny mpitondra amin’iazao fotoana izy. Mitana ny antontan-taratasy momba ireo andramena any Singapour koa izy. Any aminy koa no misy ny momba ireo harem-pirenena niondrana an-tsokosoko any ampita ka mahavoatonona anaran’olona ambony. Ananan’ ny loholona Lylison koa raha ny re ny antontan-taratasy momba ny fakana takalon’aina na “kidnapping” izay tsy maha-afa-bela ny tandapa sasany sy ny mpiara-komana aminy. Maro ny antontan-taratasy mafana any amin’i Lylyson, ary ny haka an’ireny antontan-taratasy ireny no tena laharam-pahamehana ho an’ny HVm.

Ny haka ireo antontana-taratasy ireo any amin’ity loholon’i Madagaqsikara ity no fantatra fa tena mahamaika ny mpitondra fanjakana ka nahatonga an-dry zareo ho nandefa mpitandro ny filaminaa hisava ny tranony teny Andohan’I Mandroseza tamin’ny alarobia teo.

Raha tratra any amin’i Lylyson mantsy ireo antontan-taratasy ireo dia ho avotra ny voninahitra efa mety hihitsana atsy ho atsy.

Tena mametraka ny paika ady rehetra mihitsy izao ny mpitondra jadona hahazoan-dry zareo an’ireo antontan-taratasy ireo, ka na hovonoina mivantana mihitsy aza i Lylyson, raha izay no sandany dia hirosoan-dry zareo mpitondra matim-boninahitra izany.