Tsy zakan’ny sain’ny filohampirenena Rajaonarimampianiona mihitsy ny fanakianana sy fitsikerana ny fitondram-panjakana ho tsy mahavita manalefaka ny fahasahiranam-bahoaka; ny fitondram-panjakana tsy mahavaha ny olana mampihombo ny fahoriana mianjady amin’ny ambanilanitra; fitondram-panjakana mpanao kolikoly avo lenta; fitondram-panjakana mivarotra tanindrazana; fitondram-panjakana mitsikombakomba amin’ny vahiny amin’ny fandrobana ny harem-pirenena eto ; fitondrampanjakana fatra-mpiankin-doha amin’ny any ivelany. Nokaikerin’ny feon’ny fieritreretany izy ka ireo mpanao gazety Malagasy niara-dia taminy tany Istanbul Torkia no nantsoiny namelabelarany sy nampita taty an-tanindrazana ny fanazavany.
Dia noventesin’Ingahy filohampirenena sy notanisainay tsirairay ireo nambarany fa vokatry ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana tarihiny ho an’ny vahoaka. “Porofoy fa tsy misondrotra ny harin-karem-pirenena amin’izao fotoana” ; “porofoy fa tsy misy ny famoronana asa ataon’ny fitondrana” ; “porofoy fa tsy efa manomboka miari-doha ny toekarem-pirenena” ; “porofoy fa tsy efa matoky ny mpitondra fanjakana Malagasy ny fianakaviambe iraisampirenena” ; “porofoy fa tsy misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fampandriana fahalemana ny tany amamonina” ; “porofoy fa mbola misy ny fahantram-bahoaka any an-tanindrazana”, sy ny maro tsy ho voatanisa, hoy izy.
Ô rey vahoaka ô ! Fa mihevitra ny Malagasy ho zazabodo mihitsy ve ny filohampirenena eo anoloan’ny fahasahiranana mamatotra ny isan-tokantrano isanandro vaky izao ka mitaky porofo amin’izany vahoaka izany mba hanamarinan’izy filoha fa miasa sy mahomby ho an’ny vahoaka ny ataony ?
Efa mafy re ny manjo ny ambanilanitra satria izay mpitondra fanjakana rehetra nasandrany teo amin’ny toeram-boninahiny hitana ny fahefam-panjakana teto dia samy nanitsakitsaka ny zony avokoa, samy nampihombo fahantrana azy, samy namotika ny toekarem-pireneny, samy nanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, samy niankin-doha sy nitsikombakomba tamin’ny mpampanjana-bola iraisampirenean avokoa, sy ny sisa tsy ho voatanisa.
Marihina aloha fa raha ny tarehi-marika ara-pomba ofisialy momba ny fahantram-bahoaka no ifotorana dia tsy mitsaha-mitontongana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Tsy ny vahoaka Malagasy no namoaka ny tarehi-marika na ny antontan’isa fa ireo rafitra iraisampirenena iankohofan’ny fitondrana Rajaonarimampianina amin’izao fotoana ihany.
Mba miezaha koa aloha manao fanadihadiana fa ny 95 isan-jaton’ny vahoaka dia hilaza avokoa fa mihamahantra. Tsy foroniny io fa tena iainany ary azo tsapain-tanana.
Ny fanontaniana manitikitika ny saina koa aloha dia hoe “ lasa aiza izany fiakaran’ny harin-karem-pirenena faobe ambaran’ny filohampirenena Rajaonarimampianina fa efa hita soritra izany fa ny azo porofoina dia tsy mankany anaty vilanin’ny 95 isan-jaton’ny vahoaka Malagasy.”
Ny azo antoka dia lasa manatevina ny harenan’ireo mpanao kolikoly avo lenta ao an-dapa sy ny manodidina azy ny vokatry ny fiakatry ny harin-karem-pirenena, ary ny hanohizan’izy ireo an’izany fitavanany izany no mahatonga an-dry zareo hiady fo mafy hangeja ny fahalalahana demokratika eto, hampihorohoro ny tsy mitovy hevitra politika aminy, ny handrahona isanandro an’ireo manakiana sy manentana ny vahoaka hijoro hitaky ny anjara masoandrony, manosika ny mpitondra hanamafy isanandro ny jadona ataony.
Ny firoboroboan’ny fiakatry ny harenan’ny manodidina azy no itarafan’ny filohampirenena ny fiakatry ny fari-piainam-bahoaka, ka tsy mahagaga raha diso ny fomba itondrany ny firenena, tsy mahagaga raha mifanipaka amin’ny tokony ho izy ny politikam-pirenena ankapobeny nofaritany hitondrana ny tany sy ny fanjakana.
Dia mbola hisy olom-pirenena Malagasy hinia hikimpy ihany ve ka hilaza fa “mihatsara ny fiainany raha mitaha amin’ny tany aloha tany ?” Sanatria ho anay ny hanindraindra ny fomba fitondrana tany aloha tany fa raha miohatra amin’ny nisy kosa dia miha potika ny fiainam-bahoaka izao. Azo porofoina amin’ny zavatra maro izany, na eny andalambe eny ihany aza.