Inona no hihafaran’izao fahatezeran’ny maro amin’ireo solombavambahoaka mandrafitra ny Antenimierampirenena izao ? Fanontaniana manitikitika ny saina io satria hita taratra tamin’ny resaka nifanaovana tamin’izy ireo omaly fa tsy zakan’izy ireo intsony ny antsojay sy sangodim-panina maloto ataon’ny fitondrana foibe.
Hatramin’izao dia inona tsy ampitaina eny aminay eny Tsimbazaza ny rijan-teny momba ireo tolo-dalàna hodinihina sy hakana fankatoavana fa fandavana, hoy ny depiote. Ny tsikaritray dia hatao totoafo eny izy ireo rehefa ankatoky ny ho fifaranan’ny fivoriana, dia tsy hisy akory ny fandinihana lalina azy ireo fa hikoropahana, hoy ihany ny ako.
Nanaovan’ny sasany fanamarihana koa fa hatramin’izao tsy hita voaka izay tolo-dalàna hanitsiana ny teti-bolam-panjakana amin’ity taona 2016 ity nefa mitana anjara-toerana goavana eo amin’ny fitantanam-panjakana izany, indrindra fa mifanandrify amin’ny fandalovan’ny iraky ny Fmi eto izany, ka inona no rijan-teny ifotoran’ny fifampidinihana amin’izy ireo eto izao ?
Ny tsapan’ny depiote sasany aloha dia ny fahatahoran’ny filohampirenena hitsirian’ny hevitra eo amin’ny depiote ka hipaka any amin’ny fanohintohinana ny toerany no tena anton’izao tsy fandefasana ny tolo-dalàna eny Tsimbazaza izao. Lasa mirenireny sy mivezivezy fotsiny izahay satria tsy misy lalàna dinihana akory, hoy ny sasany. Dia zara fa misy an’io fifidianana izay ho solontenan’ny Antenimierampirenena handrafitra ilay filankevitra ambony ho fiarovana ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna io ety dia ohatran’ny hoe « miasa izahay », hoy ny sasany.
Ny solombavambahoaka sasany aloha dia nitsotra fa « tsy hisangisangy izahay satria efa samy hiaro ny rambony tsy ho tapaka any amin’ny vahoaka ka aleonay faranana haingana aloha izao fe-potoam-piasan’ny mpitondra mpanatanteraka izao dia mifampitady eny anivon’ny vahoaka eny fa tsy lasa intsony izao ». Izany hoe hatsahatra amin’ny asany ny filohampirenena dia miroso amin’ny fifidianana araka ny fepetra takian’ny lalampanorenana, dia mazava ny resaka.