Hatrany am-piforonany no efa naha be adihevitra ity governemanta Solonandrasana, izay fahatelo sahady tato anatin’ny Repoblika fahefatra ity. Tsaroan’ny rehetra ny “nanerena” ny praiminisitra tiana ho noesorina mba ho nametra-pialana. Andro vitsivitsy taty aoriana ihany anefa dia nitsangana ny governemanta vaovao, saingy dia tonga amin’ilay fitenenana hoe “ny teo ihany ny miverina” satria tsy nahitana fiovana firy ilay izy. Nazava be tamin’ny rehetra àry fa ny nanalana an’ingahy Jean Ravelonarivo no tena tanjona fa tsy dia izay ho nanova governemanta loatra.
Toa ireo governemanta “vaovao” rehetra dia nanorotsoritra ny praograman’asany ity an’ingahy Mahafaly Solonandrasana Olivier ity ka ny tena nisongadina tamin’zany dia ny hoe “gouvernement de combat”, na governemanta hiatrika ady izy io. Re tamin’izany koa ny hoe ao anatin’ny telovolana ihany dia ho hita ny fisongadin’ny asa…
Asa aloha izay fomba fanisan-dry zareo ao amin’ny mpanatanteraka ao fa ny tsapa dia toa hitovy amin’ny telovolana nampanantenain’ny filohampirenena mba hanafoanana ny delesitazy ihany koa ity telovolan’ny praiminisitra ity. Iray volana sy tapany mantsy izao no lasa, hatramin’izay nijoroan’io governemanta io izay, kanefa mbola tsy hita ihany izay asa nivaingana vitany. Ny hany voamarika dia ny fanendrena olona ambony isaka ny misy ny filankevitry ny minisitra. Mahagaga koa fa na ny minisitra tafaverina ary tsy niova departemanta sahanina aza dia manova ireo mpiasa ambony ao aminy ihany koa.
Mihoatra an’ireo rehetra ireo dia iaraha-mahita koa izao fa mbola tsy nisy na tolo-dalàna iray aza natolotr’io governemanta io mba hodinihin’ny Antenimierampirenena. Efa iray volana koa anefa izay ireo solombavambahoaka no midonaka sy milalao tanana fotsiny ao an-dapan’i Tsimbazaza ao. Midonaka sy milalao tanana izy ireo, kanefa dia mandray ny vola tokony horaisiny ho sandan’izany fivoriana izany. Asa moa raha ny tahaka izao no mifanandrify amin’ilay fitenenana hoe “vola adala tompo” fa dia raisin’ireo depiote izany vola izany satria tsy ry zareo no tsy te-hiasa fa nantsoina izy ireo kanefa ny asa hataony tsy misy. Na izany aza dia tokony mba hoeritreretin’ireo mpitondra fanjakana ao ambony ao ireo fa ny vahoaka malagasy izay efa mitofezaky ny hanoanana sy difotry ny fahasahiranana ange no miantoka an’izany vola izany ê…
Eto àry no apetraka ny fanontaniana izay ao am-bavan’ny mpanaraka ny raharaham-pirenena rehetra dia ny hoe: hiady amin’ny inona sa hiady amin’iza àry izany ity governemanta farany natsangan’ny mpitondra ny Repoblika fahefatra ity ê?... Mipetraka tokoa ny fanontaniana satria raha ny hita hatramin’izao dia ny hisava ny tranon’ireo halany bika, tsy tiany tarehy no nanetsehan’ny mpitondra ny mpitandro ny filaminana an-jatony. Hitan’ny mason’ny rehetra koa, na dia mbola mitady ny hanaporofoana izany aza ny filohampirenena, fa dia tena miha milentika ao anatin’ny fahantrana andro aman’alina ny vahoaka. Io fahantrana io anefa no fahavalo voalohany tokony hananganana ady.
Bebe ihany izay voalaza izay ka toy ny efa izarana dia hajanona eo ny famakafakana sao hanahirana ê. Tsy mety anefa fa miverina ihany ilay fanontaniana hoe hiady amin’ny inona sa amin’iza ity governemanta Solonandrasana ity ê ?... Mila hazavaina!
Lalou