Endrika iray ny amin’ny zavamisy mahatsiravina eto amin’ny firenena ankehitriny ny fahabetsahan’ny famonoan’olona manerana an’i Madagasikara ankehitriny. Ny antontan’isa ahalalana marina ny zavamisy dia mbola tsy aty ampelan-tànana, saingy ny fahamaroany no tsy iadian-kevitra intsony. Ny zavamisy any Amoron’ny Mania nitranga tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo iny no hisintonanay antsika mpamaky. Ny zoma faha 27 may 2016 lasa teo dia olona 2 no maty novonoin’olona tao amin’ny kaominina Ivato Centre. Ny iray tamin’ireo dia teo amin’ny tanàna atao hoe Tsiengy izay miala 8 km monja an’Ambositra renivohitra. Dahalo nanafika ny iray tamin’ireo ka raha azon’ny fokonolona dia notaperiny ny ainy. Tao Anjoman’Akona ao amin’nydistrikan’i Manandriana indray dia mbola nahitana fatin’olona koa ka mbola fifanatrehana ny fokonolona sy ny dahalo koa, ka maty tamin’izany ny olona iray. Ny depiote voafidy any Manandriana dia nilaza fa saika isan’andro no misy vonoan’olona ao amin’ny distrika misy azy. Efa mifanafika hoy ity depiote ity ny olona ka tsy fantatra intsony ny dahalo sy ny tsy dahalo satria izay tsy afaka miaro ny tenany dia tsy maintsy maty. Tany amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana indray, tamin’ny faran’ny herinandro teo dia tovovavy kely iray izay mbola 14 taona no nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana. Raha ny loharanom-baovao mahakasika ity raharaha ity dia voalaza fa tsy nety nanaiky ny tovolahy iray izay nila azy izy. Taty afara dia nataon’ity ny nahazoana azy ka novonoiny ity tovovavy ity ka tsatok’ antsy tany amin’ny lohany sy ny tratrany ary ny tendany ka hatrany amin’ny fivaviany. Voalaza fa tovolahy roa no nanao izany an’ilay tovovavy. Tao amin’ny fokontany Sakalava no nitrangan’izany. Tsy ny any Amoron’i Mania ihany anefa no azon’ny famonoana olona toa izao fa any amin’ny distrikan’i Miandrivazo koa dia tsy hay tenenina intsony ny famonoan’ olona. Saika isan-kerinandro dia misy olona maty hatrany. Ny any amin’ny faritra Melaky dia efa miady amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana ambony any an-toerana ny dahalo amin’izao fotoana izao toa ny nahafaty ny talem-paritra ny fampandrosoana ao Maintirano sy ilay zandary hampanao fanadinana ny polisy farany teo iny. Ny fanontaniana mipetraka amin’ny maro ankehitriny dia ny antony mahatonga ny fihetsika feno habibiana misy ankehitriny eny anivon’ny fiaraha-monina. Tsy ampihambahambana no ilazana fa vokatrin’ny fanjakana tsy mari-toerana sy ny tsy fahaizana mitondra izany rehetra izany. Miteraka korontana aram-piaraha-monina toa izao ny vokatrin’ny tsy fisian’ny fanjakana tan-dàlana sy ny tsy fahaizana mitantana. Rehefa ny kiantrano an-trano sy ny kolikoly ary ny fangalarana volam-bahoaka no miseho ankarihary dia tsy maintsy toa izao no iainana’ny firenena iray.

Jesy Rabelaolao